• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 24, 2024

Inona no drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainanao ?

Andro namoahana Sep 24, 2024

Fantatrao ve ny antson’Andriamanitra ho an’ny fiainanao ? Heveriko fa ny fanontaniana mikasika ny fiantsoana dia  anisan'’ireo fanontaniana mahazatra indrindra apetratsika amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika. 

Nandritra ny fiarahako tamin’ny Tompo, toy ny olon-drehetra, dia nanontany tena foana aho hoe : “Inona no drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainako ? Inona no antsoko ?”

Tsara izany fanontaniana izany, fa ny tena tsara ambonin'izay dia izao : manana valin-teny ho anao Andriamanitra. Hoy ny Baiboly : “Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola…” (2 Timoty 1:9).

Eny, ry namako, efa nanana drafitra ho an'ny fiainanao Andriamanitra talohan'ny namoronana an'izao tontolo  izao ! Efa tao am-pony ianao, ary Fitiavana no nahariany anao, mba ho feno sy ho tanteraka miaraka Aminy ny fiainanao.

Mbola mipetraka ihany anefa ny fanontaniana. Fantatrao fa manana drafitra ho an'ny fiainanao Andriamanitra, nefa inona ilay izy ? Inona no hiantsony anao manokana  Mandritra ny andro vitsivitsy manaraka dia hizara aminao ireo fanalahidy nianarako nandritra ny taona maro aho, mikasika ny fomba hahitana ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainana. Heveriko fa hanampy anao hahita ny drafiny ho anao izany. Vonona ve ianao ?

 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.