• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 1, 2025

Inona no bitsik’Andriamanitra aminao anio? šŸ™ŒšŸ»

Andro namoahana Okt 1, 2025

Miresaka amintsika amin'ny fomba maro sy amin'ny fotoana samihafa amin'ny andavanandrom-piainantsika Andriamanitra. Hatramin'izay naha kristianina ny tenako, Andriamanitra dia miresaka amiko amin'ny alalan'ny eritreritra, nofy, fofona, fihetseham-po, sns.

Vao haingana aho no nandre fijoroana vavolombelona vehivavy iray tamin'ny fotoana niantsenany tao amin'ny toeram-pivarotana lehibe. Nisy fotoana nisy tovolahy iray teo anilany, ary tonga taminy ny eritreritra avy amin'Andriamanitra izay nanambara fa nanana olana amin'ny sorony havanana ilay tovolahy. Nino anefa izy fa eritreriny fotsiny izany, ka tsy noraharahiany loatra, saingy akory ny hagagany, nanetsika ny sorony havanana ilay tovolahy, sady niketrona mba hanehoany ny fahoriany! Nahatsapa fandresen-dahatra sy fiadanana ilay vehivavy, ka natoky izy fa afaka nanatona azy. Nazavainy taminy tsotra ny zava-nisy ary nangataka taminy izy mba hitrotro am-bavaka ilay sorony. Samy voakasika ny fon’izy roa tamin'izay fotoana izay.

Matetika Andriamanitra dia miresaka amintsika amin'ny tsipiriany heverintsika ho madinika. Ao amin'ny Baiboly, ny mpaminany Elia dia nandeha nandositra an-tany efitra mba tsy ho faty. Tany no nanehoan’Andriamanitra ny Heriny tamin'ny fomba maro samihafa : rivo-mahery, horohorontany ary afo. ā€œary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy. Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapĆ“tiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia ?ā€ (I Mpanjaka 19:12-13). Izay feo nitsoka malemy izay, ilay bitsika malefaka, no nanohina ny fon’i Elia ka nafahan’Andriamanitra niresaka taminy. Eny, bitsihan’Andriamanitra amintsika izay teny tokony ambarany amin'ny feo avo! Tena balsama mahery manasitrana ny aretintsika ny Teniny.

Inona no bitsihan'Andriamanitra anio? Inona no ambarany anao ao am-ponao lalina? Mamporisika anao aho mba hanokana fotoana isan'andro, mba handrenesana izany bitsika malefaka izany. Eny, maniry ny hikasika ny fiainanao Andriamanitra ary hanavao anao anio.

Eric CƩlƩrier
Mpanoratra

Eric CƩlƩrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.