🤍 Inona no ao an-tsain’Andriamanitra?

Alaivo sary an-tsaina raha mba azonao fantarina izay ao an-tsain’Andriamanitra…Â
Raha ny marina, tsy dia alavitra ezaka araka ny fijery azy voalohany izany.
Jereo ny voalazan’ity adininy ao amin’ny Baiboly ity : “Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? Fa izahay manana ny sain'I Kristy.” (I Korintiana 2:16). Oay! Tahaka ny ahoana izany fananana ny sain’I Kristy izany? Ho ahy manokana, ny andininy tonga ao an-tsaiko voalohany dia ny fotoana nilazan’ny Tompo hoe : “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako...” (Isaia 55:8). Kanefa ilay andininy voalohany novakiantsika dia milaza fa manana ny sain’i Kristy isika. Ahoana no hanambarana ireo roa ireo?
Rehefa nikasika ny fiainanao Jesosy, ny fomba fijerinao sy fahazoanao zavatra dia niova, sa tsy izany? Lasa nanenika ny fanahinao ny sain’i Kristy, nanova fomba fijerinao ny amin’ny toe-javatra karazany. Fa tsy mitranga eo noho eo izany : mandeha tsikelikely. Te hizara ny sainy aminao Jesosy ary te hanampy anao mba hahita ny zavatra amin’ny Masony, fa miankina aminao ihany izany, amin’ny hetahetanao hihaino Azy sy ny hamelanao Azy hanavao ny fomba fiatrehanao ny zava-misy. Raha amin’ny fiteny hafa, isan’andro, na ianao mijery ny zavatra amin’ny fombanao, na amin’ny fomban’Andriamanitra.
Ry namako, efa anananao ny sain’I Kristy ary te hameno anao amin’ny eritreriny Izy! Anio, banjino hatrany Izy ary avelao ny fanahinao sy ny fomba fijerinao hohavaoziny.
Ato am-poko ianao.

