• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 7, 2025

💪🏻 Inona marina ny herin’ny fifandraisanao ?

Andro namoahana Jon 7, 2025

“Tokony hanao an’izao ve aho ? Sa tsia ?”  Ianao ve mba manontany tena toy izany koa ?Na fiovan’asa izany, na mety ho fanapahan-kevitra hoe hanan-janaka iray hafa sa tsia, na hoe hiditra amin’ity fifandraisana ity sa tsia, na hoe tokony hividy kiraro vaovao iray indray ve nefa efa feno loatra ny fitoeran-kiraro.. Isan’andro dia atrehantsika tokoa ny fanontaniana toy izany.

Ahoana no fomba fandraisanao fanapahan-kevitra ?Amin’ny alalan’ny fahatsapana ve ? Mifototra amin’ny fihetseham-po na fidongiana ? Sa mety mikaroka valiny ao amin’ny Google ?

Vao teraka Jesosy. Tamin'ny vanim-potoana tsy nisy Whatsapp na aterineto. Kanefa nisy lehilahy iray, Simeona, izay tsy nahita ny nahaterahan'i Jesosy marina, na nandre izany tamin'ny fampahalalam-baovao, fa nanana fifandraisana tamin'ny loharanom-baovao tena marina izay ninoany na tsy hitan'ny masony aza, fa nitranga izany!

Voasoratra hoe :“Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza… ” (Lioka 2:27)

Ry namako, tsapanao ve ny tena zava-nitranga teto ?

Afaka nankany amin’ny toerana hafa mihitsy Simeona tamin’io andro io. Afaka tsy nihaino ny Fanahy Masina. Fa tsy toy izany Simeona ry namako ! Tsy nanana aterineto izy, fa nanana fifandraisana mahery vaika lavitra noho izany ! Efa milaza koa mantsy ny andininy teo aloha hoe :  “ary ny Fanahy Masina dia tao aminy” (Lioka 2:25)

Tsy izany koa ve no irinao ? Ny hitoeran’ny Fanahy Masina ao aminao ?

Raha tianao ho azo sy hitoetra aminao izany fanatrehan’ny Fanahy Masina  izany, dia manatòna Azy amin'ny fahatongavan-tsaina sy amim-pitsaharana...Satria raha tianao hiainana ny zavatra tsy vitanao, dia mila eo anatrehan'Ilay mahay ny zavatra rehetra ianao!

Ary tsy mila Internet akory ianao mba hahazoana ny valin’ny hoe “Tokony hanao an’izao ve aho ?”

Fantatrao ve ny fahalebiazan'ny fanapahan-kevitra TSIRAIRAY raisinao? Izany indrindra no antony hanasako anao hifandray amin’ny Fanahy Masina mandrakariva.Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.