• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 15, 2025

Inona marina no tena ilainao ?

Andro namoahana Jol 15, 2025

Tia zavatra tsara aho. Ary ianao ?

Koa satria tsy dia havanana loatra amin’ny famoronana ny tanako, dia faly aho rehefa misy manome zavatra tsara.

Taona maro lasa izay, nisy lehilahy iray latsa-pitia tamiko ka nanam-paniriana ny hanome fanomezana marobe ho ahy. Nahavariana ahy ny halehiben’ny fahafoizany sy ny fitombon’ny pôketra lafo vidy tao anaty fitoeran’akanjoko.

Ary tsoriko fa tena manintona ny mahita hoe iny misy olona misary zoro aminao ka fantatrao fa eny iray avy aminao fotsiny dia mivaha avokoa ny olanao ara-bola rehetra.   

Mamelà ahy hilaza aminao anio hoe: Maro ireo zavatra manintona mandrapahatsapanao ny Fahalehibeazan’Andriamanitra !

Nanana ny rehetra io lehilahy io. Saingy tsy nanana an’Andriamanitra izy. Mazava ho azy fa rehefa misy zavatra ilaintsika no misy olona tamy hanampy antsika dia mora voasarika hanaraka azy isika.

Amin’ny toe-javatra iainanao ankehitriny, mety tsy lehilahy na vehivavy no mitady hanintona anao. Mety ho asa, na finamanana…Kanefa any anatinao lalina dia tsapanao fa tsy izany no lalana tokony hizorana…

Raha tsy nanan-danja taminao Andriamanitra dia tsy ho nanan-danja taminao ihany koa ny lalan-diso.

Na teo aza izany dia nafoiko izay zavatra rehetra nanintona ahy araka ny maha-olombelona tamin’izany. Ireo fanomezana sarobidy, sy ilay fiainana izay toa mora kokoa raha ny fijery azy !

Satria ny Tenin’Andriamanitra dia milaza hoe :

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany dia aza manahy ny ampitso ianareo !” (Matio 6.33-34)

Ankehitriny aho rehefa mahita ireo akanjo sy pôketra maro nataony fanomezana ho ahy dia faly, mazava ho azy. Saingy tsy manome lanja loatra azy ireo… Fa ny tena faniriako dia ny hihanoka tanteraka ireo fiainana niarahako tamin’Andriamanitra nanomboka tamin’izany fotoana izany ! Satria nanome ahy « mihoatra lavitra » noho izay nilaiko tamin’ny fiainako Izy…

Azoko atao ve ny mangataka aminao anio ny handinihanao ireo fanapahan-kevitra noraisinao ?

Tsy misy na inona na inona eto an-tany mendrika ny hamoizanao ny fatokianao an’Andriamanitra.

« Miasa amin-kery ao amintsika Andriamanitra. Ary rehefa mangataka aminy isika, dia afaka manao mihoatra noho izay tadiavintsika izy ! Eny, manoatra noho izay azontsika sainina ny Heriny !” (Efesiana 3.20)

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.