• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 12, 2026

Inona avy ireo fatoranao?

Andro namoahana Jol 12, 2026

Efa novakianao ve ireo fanaovam-beloma rehetra izay namaranan'i Paoly ny Epistily ho an'ny Kolosiana?

Saika hanakatona ny Baiboly aho, fa tsy fantatro manokana i Lioka, na maha dokotera malala azy, na i Nymfa, na i Arkipo. Saingy nanohy aho ka tonga tamin'ny fehezanteny farany nosoratan'i Paoly hoe:

“Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.” (Kolosiana 4:18)

Nanohina be ahy izany teny izany. Tsy lava ny epistily ho an’ny Kolosiana, kanefa nosoratany tamin’ny tanany, tamin’ny tanany voafatotra. Mino aho fa narary taminy izany tanany izany ary mety ho naratra koa izy. Tanana izay tiana tsy ahetsika intsony. Tanana izay tsy avela mba hanao soa. Tanana izay inoako fa reraka…

Ary tsy azo adinoina koa hoe io tanana io ihany no nanaovany asa ratsy taloha… fa efa nanapa-kevitra ny tsy hanao afa-tsy soa izy ankehitriny.

Koa anio, mbola vonona ny hampiasa ny tananao ve ianao? Ilay tanana amin’io vatana izay efa naratra io? Ilay tanana amin’io vatana izay noratrainao io? Ilay tanan’ilay fanahy izay nijaly nandritra ny taona maro? Ilay tanana, izay tsy mba nojerena mihitsy ny zava-bitany, na nomena tombam-bidy akory?

Dia hilaza ianao hoe : “Iza no mieritreritra momba ny tanako sy ny lasany manontolo? I Paoly aza mba afaka nanoratra ho an’olona maro. Fa iza no mba mahita ahy?”

Jesosy. Tsotra fotsiny.Mahita anao Jesosy, ary izany valiny izany fotsiny dia efa ampy hanosika ny fonao mba hijoro hatrany, mba handray indray ilay penin’ny fiainanao izay napetrak’i Jesosy amin’ny tananao (fa tsy amin’ny tanan’olona hafa!) - ka tena hanoratra ilay tantara izay tiany hosoratana ny amin’ny fiainanao!

Fa ny fo maratra - izay hitan’i Jesosy - no mahasoratra tantaram-panasitranana - izay mahatonga ny hafa mba hahita an’i Jesosy koa!

Misaotra anao! Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.