π¨π»ββοΈ Inoako fa tsy maintsy havaozina indray ianao

Ao amin’ny tranoko vaovao dia sambany tamin'ny fiainako ny afahako mamboly tao amin'ilay zaridaina keliko. Nisy namako akaiky tonga nanampy ahy manokana hanatanteraka izany tetikasa izany, satria moa izaho tsy dia havanana amin'ny tontolo maitso loatra, haha!
Nisy tamin'ireo namako efa mpahay raha izay nahatsikaritra fa ny zava-maniry teo aloha dia tsy tamin'ny toerana sahaza azy : “Zava-maniry mila maloka ireto, dia nefa raha eto ny fitoerany dia main’andro tanteraka - tsy afaka haniry tsara mihitsy ireto.”
Rehefa namboarina tsirairay izy ireo sy napetraka tamin'izay toerana sahaza azy avy, dia afaka maniry soa amantsara amin'izay! Mahafinaritra ery ny zaridaina keliko!
Tiantsika ny mampionon-tena amin'ny alalan'ny teny tahaka ny hoe : “Noho ny tontolo misy anao no tsy afahanao mivoatra.” Fa ny marina dia noho isika ihany no mahatonga izany… eo amin'ilay toerana nametrahanao ny tenanao araka ny eritreritrao!
Dia tahaka izany ny amin'ny hoe lasa tsy ilay fanantenana izay ampanantenain’Andriamanitra (jereo Salamo 62:6), fitsaharana izay tiany homena anao (Salamo 62:1), ny hoavy tsara izay homaniny (Jeremia 29:11), sy ilay porofom-pitiavana lehibe (Jaona 3:16) no raisinao fa lasa mihitsoka anatin’ny fahakiviana sy fanahiana, eritreri-dratsy ny amin'ny hoavy sy tsy fahatokisan-tena ianao.
Izay no antony maha zava-dehibe ny fanarenana anao indray! Volena amin'ny fahamarinan’Andriamanitra momba anao! Tsapan’i Davida tsara izany, tamin'ny androny, rehefa nilaza izy hoe : “Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho,” (Salamo 61:4)
Rehefa tafatoetra tsara eo amin'ny toerana sahaza azy ny zava-maniriko izao dia mameno hanitra sy hatsarana ny tontolo misy azy izy ireo!
Tahaka izany koa ianao : avaozy ny fisainanao, dia ho lasa hanitrao sy hatsaranao izany!
“Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.” (Salamo 36:9)
Fahagagana ianao!

