“Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo?.” (Isaia 43.19)
Ity hafatra ity no tiako hozaraina aminao amin’ity andro farany amin’ny taona 2024 ity. Io no teny napetrak’Andriamanitra manokana ato am-poko ho anao!
Izay rehetra nitranga tamin’ity taona ity, na niainanao tamin’ny fahombiazana, na koa tamin’ny fotoan-tsarotra sy fitsapana, dia tsy manova ny hafatra.
Andriamanitra dia manasa anao anio hibanjina ny ho avy, satria hoy Izy: “Hanao zavatra vaovao Aho.” (Isaia 43.19)
Inona no dikan’ny hoe “vaovao”? Ny vaovao dia midika hoe mandroso, mihatsara. Ary na oviana na oviana dia misy hatrany ny fanatsarana azo atao eo amin’ny fiainana. Raha nisy zavatra tsy nety na tsy nahomby, azo antoka fa hilaza ianao hoe: “Tena tiako tokoa ny hanatsara izany.” Fa na dia amin’ireo zavatra izay nanomboka tsara aza, dia mbola afaka hihatsara hatrany izany. Any amin’ny teboka izay nijanonao dia hanomboka hampandroso anao indray Andriamanitra!
Tiako averina aminao : Matoky ny fandrosoana eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, amin’ilay endrika “vaovao” izay nampanantenainy anao. Hoy Izy: “Mijere mankany aloha, satria hanao zavatra vaovao Aho!”
Ianao sisa no andrasana hiteny hoe “Eny”, ary ilaina ny finoanao sy ny fahatokianao. Vonona ve ianao hino ny teny fikasana omen’Andriamanitra ho anao amin’izao fotoana izao, na dia tsy mbola hitanao aza izany? Raha vonona ianao, lazao izao teny izao miaraka amiko :
“Eny Jesosy, mino aho fa hanome ahy zava-baovao Ianao amin’ny taona 2025. Misaotra Anao sahady aho! ”
Faly aho hiaraka hanomboka ity taona vaovao ity aminao :
“Hotahian’ Andriamanitra anie ianao, ary omeny anao izay irin’ny fonao. Hanokatra ireo varavarana mety ho anao mandritra ity taona vaovao ity Izy, ary ho hitanao fa tsara sy mahatoky Izy. Hitoetra akaiky anao anie ny Tompo ary hanome anao fotoana feno fitoniana, izay hameno fitiavana sy fifaliana anao. Hampahita anao ilay ‘vaovao’ izay tsy azonao an-tsaina akory Izy. Ary ho hitanao mazava fa: Izay tsy vitako dia vitan’Andriamanitro! Ary satria miara-miaina Aminy aho, dia hiaina izany koa aho!
Hotahina anie ny fiainanao, ary hitoetra aminao anie ny Fitahiany mandritra ity taona vaovao ity! Amen.”
Fahagagana ianao!
