Ilay toetra izay hanafaingana ny fiainanao.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ilay toetra izay hanafaingana ny fiainanao.

Efa tahaka ahy ve ianao hoe voakasiky ny fihetsika mamiratr’olona miditra amina efitra iray?
Indray andro, raha niditra tamina hôpitaly iray izay izahay mivady dia nisy marary tonga nisaotra anay. Tsy nahafantatra anay io olona io saingy tonga naneho fankasitrahana anay fotsiny izy satria nahakasika azy ny fihetsikay.
Ny fihetsika tsara indrindra dia ny fankasitrahana. Rehefa misaotra an’Andriamanitra isika noho ny nomeny dia misy hasambarana ny fiainantsika.
Sarotra ny fiainantsika mazàna. Mety ho sarotra mihitsy ny mizàka azy ary tena re mihitsy ny hirifiry. Saingy tsy mbola nilaza ny teny farany tamintsika Andriamanitra…! Mihavao isa-maraina ny famindrampony, ary ny fisaorana Azy dia mampisy rivo-piainana ao amintsika sy manodidina antsika. Manasoa antsika isika ary misitraka izany koa ny manodidina antsika.
Vaovao mahafaly : fianarana ny fankasitrahana ! Hoy ny Apôstôly Paoly : “Fa izaho efa nianatra ny tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.” (Vakio ny Filipiana 4.11.)
Ataovy an-tsaina anie i Paoly sy Silasy e! Ny alina, tao anatin’ny tranomaizina anatiny indrindra, rehefa avy nokapohana mafy dia mafy izy ireo dia nihira fiderana an’Andriamanitra. Novain’Andriamanitra ho horohoron-tany sy fitahiana miavaka ny fankasitrahan’izy ireo. Ka na ilay mpiandry tranomaizina sy ny fianakaviany aza dia nanjary vita batisa tamin’iny alina iny. (Vakio ny Asan’ny Apôstôly 16.22-36.)
Ny fanalahidy hiainana ilay hafainganana avy amin’Andriamanitra izany dia : ny fanehoana fankasitrahana amin’ny fotoana rehetra. Mitondra hasambarana eo amin’ny fiainantsika ny fisaorana. Ary io fitahiana io dia miainga aminao ary hiparitaka amin’ny hafa ihany koa.
Mitaona anao aho hanao fanazarana dieny androany. Manomboha misaotra noho izay anananao, na dia izay heverinao ho bitika indrindra aza. Androany alina, sorato anatina karine izany dia matoria miaraka amin’ny fo feno fankasitrahana. Manaova tahaka izany ihany koa rahampitso maraina. Ho ahy izao, isa-maraina sy isak’alina aho no manao azy mba ho fahagagana foana ny andro rehetra.
Mirary tontolo androm-pitahiana ho anao aho !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!