🤍 Ilay mitondra fiadanana ho anao
Izany korontana e! Nanantena ianao fa ho vanim-potoana milamina ny Noely amin’ity taona ity. Saingy toa tsy mitovy amin’izay nandrasanao ny zava-drehetra. Ary tsy fiadanana no tsapanao, fa ahiahy mihitsy aza.
Minoa ahy, nikorontana be koa ny Noely voalohany! Eritrereto i Maria, ilay zazavavy tanora, hoe nanao ahoana ny fikorontanana nisy teo aminy! Tamin’izany fotoana izany, tena henatra izany bevohoka nefa tsy manambady izany. Avy eo, mbola nandeha lavitra tamin’ny ampondra indray izy nefa efa ho teraka. Nony tonga teny an-toerana dia tsy mbola nahita efitra hipetrahana indray! Raha izaho aloha izany... dia tena niferotr’aina be aho e!
Fa i Maria kosa tsy toy izany! Satria nitondra ny fiadanana tao anatiny izy! Ary na inona na inona nitranga teo amin’ny manodidina azy, dia tsy nisy afaka nanakana ny drafitr’Andriamanitra ho azy:«Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga atỳ aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko.» (Isaia 46:10)
Mandona ahy foana ilay teny ao amin’ny hira “Be born in me” nataon’i Francesca Battistelli: « Talohan’ny naneken’ny saiko dia efa nandohalika sahady ny foko.»
Angamba tsy azonao ny toe-javatra sedrainao ankehitriny. Saingy manana drafitra ho an’ny fiainanao koa Andriamanitra, ary hotanterahiny izany! Na dia lavalava aza ny fotoana iandrasana, tian’i Jesosy omena anao dieny izao ny fiadanany! Noho izany, manontany anao aho izao: « Avelanao ve Izy hateraka indray ao anatinao anio? »
Tsy te ho anatin’ny fiainanao fotsiny Izy na anatin’ny hetsika ataonao. Te ho FIAINANAO mihitsy Izy! Raha miondrika eo anatrehany ny fonao, dia ny fiadanany no hampijoro anao!
Vohay ny varavaran’ny fonao amin’ny alalan’ity vavaka ity:« Jesosy o, misaotra Anao aho fa tonga teto amin’izao tontolo izao Ianao mba hitondra fiadanana ho ahy! Na dia tsy azoko aza ny zavatra rehetra, dia tiako holazaina hoe: ‘Miondrika eo anatrehanao ny foko’ ary manasa Anao aho mba honina ao anatiko! Tompo ô, raiso ny toerana rehetra ao am-poko. Tiako Ianao! Amena! »
Mirary fiadanana ho anao aho, fiadanana izay tsy mbola niainanao mihitsy!
Mirary krismasy sambatra!Fahagagana ianao!
