ILAY LOKO FITO
Rehefa ho avy iny ny orana dia henonao ny fofon-tany miakatra sy ny firahondrahon’ny kotroka. Ary minitra aty aoriana dia ireo misy loko mahafinaritra mandravaka ny lanitra: ilay mariky ny fitsaharana sy fitoniana. Ny avana….miaraka amin’ireo tsipika sy loko fito mirindra….Fa efa nosaininao ve hoe ao anivon’ny kotroka, tselatra, orana mikija dia efa manomana zavatra mahatalanjona sy tsara lavitra Andriamanitra? Miaraka amin’ny loko miavaka ..na dia tsy nangataka izany aza isika satria nifantoka be tao amin’ny loko matroka sy ny rahona mainty….
Ao amin’ny Genesisy 9:13-15 dia nametraka io marika io Andriamanitra tamin’ny Noa taorin’ny safo-drano.
Anio indray Andriamanitra dia milaza aminao fa ao ambadik’io lalovanao toa maizin-kitroka io, io tsy misy masoandro mihiratra io hoy ianao… dia efa manomana zavatra goavana Andriamanitra. Tsy anatin’ny kajiny mihitsy ny handetika anao ao anaty olana fa hanome anao kosa hoavy mamiratra. Ho avy feno loko ho ravahan’ny fideranao sy ny fijoroanao vavolombelona ny amin’ny fahatsarany. Tsarovy ny Jeremia 29:11 “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.”
Mitsikia. Tsy maninona na manoram-baratra izy izao fa efa manao zavatra tsara lavitra hiseho amin’ny fotoanany Andriamanitra ho anao..
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕