• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 10, 2025

☀️ Ifantohy ny fiainanao andavanandro…

Andro namoahana Apr 10, 2025

Anio, tiako haseho aminao indray ny tohiny amin’ilay andininy hoe: “Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza. Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro…” (Habakoka 2:2-3).

Efa fantatrao fa hafa noho ny antsika ny fotoanan’ Andriamanitra. Matetika, tiany ampahafantarina tsikelikely amintsika ilay ampahany amin’ny fiantsoana antsika, izay ho tanteraka amin’ny ho avy. Ary raha miteny aho hoe “ho avy”, dia midika izany fa mety ho afaka taona maro.

Tamin’ny 2008, rehefa nijanona tamin’ny fianarako momba ny matematika aho, dia nahazo fahitana hoe hamorona fiangonana sy asa fanompoana izay hanana fiantraikany maneran-tany.Nandritra izany taona maro izany, nitombo be aho, ary noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nahazo fahafahana lehibe hifandray amin’ny asa fanompoana mahafinaritra toa an’ny Fahagagana Isan’andro, ka nahita olona an’arivo niova sy voakasika.

Kanefa, tsy tanteraka araka izay noeritreretiko tamin’ny voalohany ilay fahitana azoko. Anisan’ny asa sarobidy nataon’Andriamanitra tao amin’ny fiainako nandritra ireo 15 taona lasa anefa izany, ary mbola be dia be no efa vonona amin’ny ho avy.15 taona dia toa fotoana lava, fa tsy misy dikany izany rehefa miaraka amin’i Jesosy isika. Aminy, tsy ny tanjona farany no tena zava-dehibe, fa ny fifandraisantsika lalina Aminy amin’ny fiainana andavanandro.

Eny, manana fotoana voatondro mazava ny fahitana rehetra omen’Andriamanitra, araka ny lazain’io andininy anio io. Ny fanalahidy dia ny hifantohanao amin’ny dianao andavanandro miaraka amin’i Jesosy, ary hijanonanao ho mahatoky Aminy amin’ny zavatra madinika indrindra. Raha manao izany ianao, dia ho hitanao ny fandresena omeny anao, ary ho hitanao fa manomana anao ho amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana nomeny Izy, amin’ny alalany fahasoavany sy ny heriny.

Ry namako, aza kivy na maika loatra: ankafizo fotsiny ny fiainanao andavanandro miaraka amin’i Jesosy, sy ny asa efa ataony eo amin’ny fiainanao. Sarobidy tokoa ny fampanantenany ho anao! Ary hitondra anao tsikelikely amin’ny fahatanterahan’ilay fahitana voalohany izany rehetra izany.

Mivavaka ho anao sy mitondra anao ao am-poko aho.Fahagagana Ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.