Ianao sy Andriamanitra ihany !
Ianao sy Andriamanitra ihany !
Ny iray amin’ireo fanalahidy tena ilaina amin’ny fampivelarana ny maha-izy antsika eo amin’ny fiainana dia hita amin’ny ataontsika rehefa amin’ny fotoana tsy misy mahita antsika.
Amin’ny fotoana isika tsy miezaka mampifaly ny hafa intsony, dia afaka manapa-kevitra ny hanao izay marina, ary hamafy eny amin’ny lafin-javatra tiantsika hitombo.
Mihatra amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika izany, indrindra fa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
Jereo ny tenin’i Jesosy momba izany : “Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.” (Matio 6:6)
Ny maha-izy antsika dia miorina ao amin’ny toerana miafina, ilay toerana izay tsy misy afa-tsy Andriamanitra sy isika ihany no afaka miditra ao.
Ao tsy misy fihatsarambelatsihy sy fitaka ! Ny fifandraisana lalina amin’Andriamanitra ihany no mitombo rehefa manokana fotoana bebe kokoa miaraka Aminy isika.
Ao anatin’ireo firesahantsika amin’Andriamanitra ireo no hamafisina ny finoantsika sy ny toetrantsika. Eo isika no resy lahatra ny amin’ny Fahalehibiazan’Andriamanitra sy ny Heriny, ary hahatsapantsika fa zava-poana ny miaina mba hampifaliana ny hafa fotsiny.
Eny, manana fahafahana lehibe hanana fifandraisana velona amin’Andriamanitra isika, sy hitodika Aminy isan’andro isan’andro. Tsy mahafinaritra ve izany ?
Ry namako, ny fotoana manokana hiarahanao amin’Andriamanitra no fiandohan’ny fiainana ara-panahy tena izy miaraka Aminy !
Anio, midira ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra ary sokafy Aminy ny fonao. Manatona Azy amin’ny fo feno fankasitrahana sy fifaliana ary aoka ny ranonorana avy any an-danitra handrakotra ny fiainanao amin’ny voninahitra sy ny fitahian’ny Ray.
Tena hanova ny fiainanao izany! =)