✨ Ianao no fahazavan’izao tontolo izao !
Teny efa tena fahenontsika ao amin’ny Baiboly matetika ny hoe isika no fahazavan’izao tontolo izao. Tsaroanao e?
Na izany aza, nandritra ny androm-piainako, dia tsapako hoe rehefa mihevitra fa mahafantatra tsara toe-javatra iray isika, dia mbola misy lafiny miafina ao matetika, ary hay tsy tena tsotra araka ny noeritreretintsika ilay izy avy eo.
Noho izany, asaiko ianao handinika ity andininy ity mandritra ny andro vitsivitsy, mba hahafahantsika mandray tsara ny fahamarinana tian’Andriamanitra hampitaina ao am-pontsika.
Ity ilay andininy: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:14-16).
Jereo anie ny fiantombohan’ity andininy ity e: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao...” Tsy hoe ho lasa fahazavana ianao any aoriana any, fa efa fahazavana ianao dieny izao.
Resaka maha-ianao anao izany : Jesosy dia niditra tao amin’ny fiainanao ary nanova ny tantaranao. Ankehitriny, efa manana ny hery ianao hampamirapiratra ny fahazavan’i Jesosy ao aminao. Raha ny marina dia efa mamiratra foana ianao fa tsy tsapanao izany indraindray!
Tsarovy: tsy noho ny asa ataonao fa noho ny maha-ianao anao. Noho izany, ry namako, avelao hamirapiratra ny fahazavan’i Jesosy na aiza na aiza alehanao!
