Ianao koa ve tsy maniry hanararaotra ny masoandro?
Ianao koa ve tsy maniry hanararaotra ny masoandro?
Akory ny hagagako rehefa indro, tao amin’ilay toeram-pisakafoana tiako indrindra amoron’ny Farihy Constance, nisy hazo rofia roa mahafinaritra nipoitra tampoka teo am-pidirana! Tena tiako izy ireo!
Akory ihany koa ny alaheloko rehefa tonga ny ririnina ka tsy nahita azy ireo intsony! Hoy ilay tompony tamiko : “Rehefa fahavaratra ihany vao misy izy ireny. Tsy natao hahazaka toetr’andro tahaka izao izy ireny.”
Nony kelikely, nandeha nisidina ho any amin’ny faritra atsimon’ny Frantsa ny tenako. Inona no hitako tany? Izay mahafinaritra tahaka ny amin’ny andro fahavaratra? Eny, hazo rofia!
Zavatra iray no tsapako tamin’izay fotoana izay : Na tsara endrika ianao, na marani-tsaina, manan-talenta sy matoky tena, raha tsy amin’ny toerana sahaza anao ianao, tahaka ireo hazo rofia tsara tarehy tao amin’ilay toeram-pisakafoana tiako indrindra, tsy afaka hivoatra mihitsy ianao.
Ny talenta izay anananao dia tokony ampiasaina tsy miankina amin’ny “zava-misy ivelany”. Tsy tanteraka izany raha tsy amin’ny toerana sahaza anao no misy anao.
Ary raha tsy izay no zava-misy, afaka manontany tena ianao anio sao mba tsy amin’ny toerana sahaza anao, ka izay no mahatonga anao tsy mahita hafaliana.
Rehefa eo amin’ny toerana afahanao mivoatra ianao noho ny talentanao, izay toerana misy anao izay koa dia lasa mivoatra noho ny fampiasanao ilay talenta!
Amin’ny farany dia samy hahazo tombony avokoa ny rehetra rehefa mahita ny toerana mety aminao ianao! Sady mivoatra sy mandroso ianao, amin’ny fomba mahafinaritra sy mitombo tahaka ny hazo rofia, no mahatonga ny hafa manodidina anao mba hivoatra arak’izany koa!
Toerana sahaza = hafaliana azo antoka!
Fomba ahoana no hahitanao izany toerana izany? Andriamanitra mihitsy no te hampiseho anao izany: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” (Salamo 32:8)
Anontanio Azy fotsiny !