• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 22, 2024

🕊 Iaino ny fiadanan’Andriamanitra mahagaga

Andro namoahana Mar 22, 2024

 

Tonga amin’ny faran’ity andininy ity isika, izay mikatsaka ny hanafoana ny tebiteby amin’ny fiainantsika. Ary anio dia handinika ny iray amin’ireo fanalahidin’io andinin-tsoratra io isika.Tena inoako fa io fanalahidy io no hanampy anao hahatakatra misimisy kokoa ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra.Ndeha hiverenantsika ilay andinin-tsoratra omaly, izay mifarana amin’ny hoe « Ambarao Aminy ny zavatra rehetra amin’ny fiainanareo, ary ny Fiadanan’Andriamanitra mahagaga, izay mihoatra ny fahalalana rehetra, hanome anareo ny valiny tadiavinareo ao amin’i Jesosy Kristy » (Filipiana 4 :6-7).Waouh ! Te hamintina izay rehetra nianarantsika nandritra ity herinandro ity aho, mba hahatakarantsika misimisy kokoa sy handinihantsika ity fanalahidy farany ity.

  • Aza avela hisintona anao midina ny fanahiana.
  • Manomboha mivavaka amin’ny fomba mahery vaika.
  • Manaova vavaka feno finoana amin’Andriamanitra, sady mankasitraka Azy sahady noho izay hataony.
  • Lazao Azy avokoa izay rehetra ao am-ponao…

Fanapahan-kevitra natao horaisintsika avokoa ireo rehefa mikasa ny hanafika antsika ny tahotra sy ny ahiahy…Ahoana àry ny fomba hamalian’Andriamanitra antsika rehefa manaraka ireo dingana ireo isika ?Mety hamaly antsika eo no ho eo Andriamanitra ka miravona avy hatrany ilay olana, ary fotoana iray ahafahana misaotra sy manome Voninahitra Azy tsy misy farany izany !Na izany aza dia matetika Andriamanitra no maka fotoana elaela kokoa hiasana. Ary ny Asany dia fandrarahana fiadanana mahagaga, izay mitarika antsika hiandry amim-pifaliana ny Fidirany an-tsehatra.Io fiadanana io dia toy ny tombo-kase izay manome antoka antsika fa hiasa amin’ny fotoany Izy ka tsy tokony hanahy na inona na inona isika satria efa vitan’ny Fanahy izany!Ny dikan-teny hafa dia milaza fa io fiadanana io dia “hiaro ny fontsika sy ny hevitsika ao amin’I Jesosy Kristy” (Filipiana 4 :7). Fomba fijery sarobidy tokoa izany hoe : io fiadanana io no miaro ny saintsika sy ny fontsika ao amin’i Kristy !Mitondra aingam-panahy be ho ahy ny dikan-teny ampiasaintsika amin’ity herinandro ity. Rehefa ao anatin’io toetry ny fiadanana sy fifandraisana amin’Andriamanitra io ny fonao no ahafahany mitaona anao amin’ny vahaolana masina ary manome anao ny valiny tadiavinao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.