• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 27, 2023

Homba anao anie ny Afo

Andro namoahana Jol 27, 2023

Amin'ny maridrefy 0 ka hatramin'ny 10, manao ahoana ny fitiavanao an'Andriamanitra ?Hatramin’ny nikasihan’i Jesosy ny fiainako dia tsy toy ny taloha intsony izany. Tsaroako fony nameno ny foko ny firehetana ho an’ny fiarahana amin’Andriamanitra, ary rehefa nosoloiny ny matimaty rehetra nananako teo anatrehany. Nanomboka tamin’io andro io dia tsy nitsahatra nitombo ny afo ho an’ny fiainana miaraka amin’i Jesosy, mandra-pahatongan’izany ho fahazarana teo amin’ny fiainako ka nanampy ahy hanohy hitombo na dia eo aza ny zava-tsarotra.Tiako ny valintenin’i Jaona Mpanao batisa tamin’ireo nanontany azy : « Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy mendrika ny hamaha ny fehin-kapany akory aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo » (Lioka 3:16). Eny ry namako, izany no tian’i Jesosy hatao eo amin’ny fiainanao : tiany ianao hilona ao anatin’ny Fanatrehan’ny Fanahy Masina sy ao anatin’ny Afony.Na akaiky na lavitra an’Andriamanitra ny fahatsapanao ny tenanao, fotoana izao ilonana indray ao anatin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, sy iainana ny Afony eo amin’ny fiainanao. Tsy misy ny tahaka izany !Androany, mangataha amin’Andriamanitra miaraka amiko : “Tompo o, te ho feno Anao aho. Tsy te hitady fialantsiny aho, ary tsy te ho variana, mila Anao fotsiny aho, ary te ho feno ny Fanatrehanao, ny Fanahinao sy ny Afonao. Tompo o, hirehitra mafy ao anatiko anie ny Afonao ka ny fiainako manontolo no ho tohina, hiova ho voninahitra mankany amin’ny voninahitra noho ny asan’ny Fanahy Masinao. Ampio aho hanaitra ny Afonao eo amin’ny fiainako isan’andro, ho voninahitry ny Anaranao. Misaotra ry Andriamanitro mihaino ny vavako, sy mamaly izany mihoatra noho ny azoko sainina ! Amin’ny anaran’I Jesosy. Amen !”Ho aminao anie ny afo !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.