• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 19, 2025

Ho zava-dehibe izany anio

Andro namoahana Okt 19, 2025

“Somary kidaladala ve ny fahitanao ny hevitro?”

Nisy tovolahy iray, izay somary sahiran-tsaina, nitodika taty amiko nandritra ny fotoam-bavakay ka niteny hoe : “Rehefa mivavaka aho dia mahatsiaro ny tanamasoandro. Mitodika any amin'ny masoandro foana ny tanamasoandro ary tena mahafinaritra ery ny mijery azy. Dia tsapako hoe te hiteny amiko Andriamanitra hoe tahaka izany no ataon’ireo izay rehetra mitodika any aminy.”

Tsy kidaladala mihitsy no fahitako izany hevitra izany, fa vao mainka tena mitombona tsara! Satria tena marina. Tsy saro-takarina araka ny noheverintsika ihany koa - na mody heverintsika.

Fantatrao ve hoe inona no zavatra tsapako taorian’izay fotoam-bavaka izay? Te hampahery ahy Andriamanitra - mialohan'ny niavian'ny vaovao ratsy. Eny, teny an-dalana hody aho no nahavoaray hafatra tamin'ny finday izay nampivarahontsana ahy tanteraka. Azonao an-tsaina tsara angamba, rehefa mandre fa voan'ny aretina tsy misy fanafana ny namana akaiky iray, amin'ny maha olombelona…

Josafata, izay hitantsika ao amin'ny Testamenta Taloha, sy ireo olony, dia nandre vaovao tena nahavalalanina tanteraka : “Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao;“ (II Tantara 20:2) Tsy mahagaga raha mahita isika avy eo hoe “Dia natahotra Josafata…” (II Tantara 20:3)

Dia inona ny nataony?

Tamin'ny fotoana nandrenesany ilay vaovao ratsy, valaketraka sy nitomany ve izy? Tsia!

“Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay.” (II Tantara 20:12b)

Hitanao? Tahaka ny tanamasoandro - rehefa mitodika any amin'ny masoandro dia tena mamirapiratra amin'ny hery sy fahatsarana tanteraka. Tahaka izany mihitsy no nataon'i Josafata : niandrandra ny masony, izany hoe nitodika tamin’Andriamanitra izy! Eny, voasoratra hoe nihaona tamin'Andriamanitra izy (II Tantara 20:3).

Ah, handeha hihetsika dieny izao!

Manoloana ny ahiahy. Manoloana ireo fanontaniana. Manoloana izay rehetra mampatahotra anao : mitodiha amin’Andriamanitra izay hamafa ny ranomasonao rehetra… amin'ny fo feno fitiavana!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.