• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 24, 2025

🔥 Ho tsaroana ianao amin'ny fahazotoanao!

Andro namoahana Apr 24, 2025

Ho tohizantsika ny resaka fahazotoana, ary te hanamafy ny amin'izay zavatra tokony ataontsika aho, anio : amim-pahazotoana.

Amin'ny ankapobeny dia maro karazany ireo andraikitra hiantsorohantsika ary amin'ny endriny avy.

Na isika mavitrika manao asa, na an-katerena ; mahomby tsara na somary kamokamo ; am-pitsikiana na am-piketronana…

Izao no voalazan'ny Baiboly : “Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.” (Romana 12:11)

Handeha hodinihantsika miaraka izany teny izany :

  • Ity andininy ity dia mifantoka amin'ny asa mitaky fahazotoana. Zava-dehibe ireo asa ara-panahy na ara-boajanahary ireo ka tsy maintsy tanterahina amin’ny toe-tsaina mendrika.

  • Izay no antony tsy maintsy hialana tanteraka amin'ny fahakamoana. Mifanohitra amin'ny sitrapon’Andriamanitra ny fahakamoana, ny hampiraikiraiky sy hanasarotra ny fiainantsika no tanjony. Aza manaiky ho voagejan’ny fahakamoana. Azonao roahina izany amin'ny Anaran’I Jesosy!

  • Fahatelo dia voalaza fa ny afon’Andriamanitra dia mifanohitra amin'ny fahakamoana. Rehefa mirehitra ao anatinao ny afony, hahatonga anao hahatanteraka ny zavatra rehetra, sy amin'ny fonao rehetra ny Fitiavany!

  • Ary farany, ny fanalahidy faratampony: na inona na inona asa izay hotanterahinao dia ataovy ho an’Andriamanitra izany, ao anatin’ny fanompoanao Azy.

Na ny fandoavana ny faktiora izany, na ny fanoloana ny lamban-jazakely, na ny fanompoana ireo lehibenao any am-piasana: ao anatin’izany toe-javatra rehetra izany, miantso anao Andriamanitra mba hiala amin’ny fahakamoana, mba hanompo ireo olona ireo amim-pahazotoana, amin’ny afony sy am-pitiavana ho Azy. Raha ny marina, rehefa manompo ireo olona ireo ianao dia Andriamanitra mihitsy no tompoinao. Ary izany toe-tsaina izany dia manome voninahitra ny Anarany.

Ry namako, aoka ho marika famantarana anao manokana ny fahazotoana! Raha fantatry ny manodidina anao fa olona mpanao soa tapany ianao, na amin'ny fahakamoana na amin'ny fitiavan-tena, dia mivavaka aho mba ho afaka handray fanapahan-kevitra hanova izany tanteraka ianao anio. Manomboka izao dia araraoty izay fahafahana rehetra misy isan’andro mba hanaovana izay tsara indrindra vitanao, noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny hafa.

Hanao zava-mahagaga sy mahafinaritra eo amin'ny fiainanao Andriamanitra!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.