• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 9, 2025

🙌🏻 Ho tonga anie ny Fanjakanao!

Andro namoahana Nov 9, 2025

Efa novisavisainao ve hoe tahaka ny ahoana ilay Fanjakan’Andriamanitra? Mety efa nieritreritra izany matetika ianao. Rehefa mieritreritra ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny hoe tahaka ny ahoana ny Lanitra dia mety firehan-kevitra sarotra takarina izany.

Ny iray amin’ireo fanehoan-kevitr’i Jesosy izay nanohina lalina ahy hatrany dia ny hoe, rehefa nampianatra ny mpianany hivavaka izy, dia niteny ny Ray hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao...” (Lioka 11:2). Eritrereto izao: Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fanehoana ny Lanitra, izany no toerana misy an’Andriamanitra Mpanjaka, ary tsy misy toerana ho an’ny haizina, na ny aretina, na ny ratsy na inona na inona.

Nantsoina isika mba hanitatra an’io Fanjakan’Andriamanitra feno voninahitra io eto an-tany. Ny hiakako mafy amin’ny fotoam-bavako dia ny mba ho feno tanteraka ny Fanatrehan’Andriamanitra aho ka hitobaka hikasika ny fon’ny hafa izany. Mba hanosika ahy hanao dingana ny finoako, hitari-dresaka, hivavaka ho an’ny olona sy ahita ireo zava-mahagaga amin’ny fiainan’ireo manodidina ahy, isan’andro.

Maniry hanokatra ny Lanitra eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, mba hitondranao ny Fanjakany amin’izay misy anao, amin’ny fomba natoraly. Mahatsiaro manokana ny fahamarinan’ny fanamarihana ara-baiboly novakiako aho. Nanazava izy fa ilay andininy malaza momba ny iraka dia noraisina amin’ny ankapobeny hoe “ Mandehana ary ataovy mpianatro ny firenen-drehetra….” (Matio 28:19). Fa ny dikan-teny fototra grika dia afaka adika hoe: “rehefa mandeha miaraka amin’Andriamanitra ianao dia mampianara”.

Tiako io  fomba filaza azy io! Amin’ny fiainana andavan’andro, rehefa mandroso miaraka amin’Andriamanitra ianao sy manao izay tokony ataonao dia ataovy mamiratra ny fahazavan’Andriamanitra ary zarao ny Fitiavan’Andriamanitra amin’ireo izay mifanena aminao. Mampianara ary aparitaho ny Fanjakan’Andriamanitra. 

Te hivavaka hiaraka amiko ve ianao? “Eny, ho tonga anie ny Fanjakanao eo amin’ny fiainanay isan’andro Tompo o! Ampio izahay hizara am-pahatsorana ny Fanjakanao amin’ireo avelanao hifanena aminay. Ary mivavaka koa izahay mba ho maro ny voakasiky ny hafatry ny Fahagagana isan’andro mba ho tonga amin-kery eo amin’ny fiainany koa ny Fanjakanao. Amin’ny anaran’i Jesosy, Amen!”

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.