đ± Ho talanjona ianao

Inona izao no ahiahinao rehefa nifoha ianao taminâny maraina ?Ahiahy momba ny hoavinao ? Sa ny habenâny asa miandry anao ? Sa ilay resaka fifantenana asa izay mampitaintaina anao efa ela ? Sa angamba ilay fiarahanareo izay mitady ho rava ? Fantatrao ve ny fomba hamalianâi Jesosy ireo fanontaniana rehetra ireo ?
âRaha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: MifindrĂ erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hataoâ (Matio 17.20-21)
Mampahery ery izany, manoloana ireo ahiahy rehetra atrehintsika, sa tsy izany ? Mino ve ianao fa mety ho anjaranao koa io teny io ? Sy hoe afaka manova tsotrâizao ilay olana lehibe atrehananao io ho lasa fahagagana Andriamanitra?
Vao aingana mihitsy aho no niaina olana toy izany. Nisy tsy fifankahazoana nipoitra teo aminâny finamanana iray izay tena sarobidy tamiko, ary natahotra aho sao tsy ho voavonjy intsony izany. Indrisy, tsy teo an-toerana mihitsy aho fa nanao iraka nandritra ny andro vitsivitsy taminâizay, ka tsy afaka namaha izany mivantana.
Dia tonga tamiko ny feonâAndriamanitra niteny hoe : âHeverinao fa tsy afaka miatrika io olana io ho anao ve Aho ?â Tena mahatsikaiky satria aminâireny toe-javatra ireny, matetika isika mieritreritra hoe : âIzaho mihitsy no tokony ho eo, mba hiresaka sy hanazava ny zava-drehetra.â
Fa Andriamanitra dia mitsiky am-pitiavana, satria mbola manan-kery hatrany ilay fanambarany hoe : âRaha manana finoana ohatra ny voan-tsinapy⊠tsy hisy tsy ho hainareo hataoâ (Matio 17.20)
Ny farany dia nandray fanapahan-kevitra aho : ny hino mba ho talanjona !
Taminâny faranâny tontolo androko, rehefa avy nanao fampisehoana aho ka reraka sy nidaboka teny ampandriana⊠dia iny fa tonga ny vaovao mahafinaritra : voavaha tanteraka ireo tsy fifankahazoana nisy, ary tsy hoe avotra fotsiny ilay finamanana, fa vao mainka aza nihamafy sy nihanatanjaka !
Ianao koa, manapaha-hevitra ny hino anio dia ho hitanao fa hifarana aminâny fahagagana ny tontolo andronao !
Fahagagana ianao !

