• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 26, 2024

👌 Ho mora indrindra izany...

Andro namoahana Jol 26, 2024

 

Tany amin’ny Testamenta Taloha, dia maro ny toromarika sarotra ho an’ny olona izay nanota tamin’Andriamanitra. Tena faly aho afaka tamin’ireny fombafomba sarotra tanterahina ireny, noho ny fahafatesan’i Jesosy ! Nanafaka antsika tokoa Izy, ary misokatra ho antsika izao ny lalana mankany amin’Andriamanitra !

Mora loatra e?

Tamin’izany fotoana izany dia voalaza fa: “Ny fanatitra hohanina dia hitoetra eo amin’ny afon’ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamarain’ny andro, ary tsy hisy afo hirehitra intsony.” (Levitikosy 6.2). Heveriko fa maro amintsika no tsy hahavita izany satria ho renoky ny torimaso, haha!! 

Maro loatra ireo fepetra takiana, fa hijanona eto isika. 

Satria io hevitra avy ao amin’ny Testamenta Taloha io dia mifandray mivantana amin’ny fiainanao, hatramin’izao.

Andeha isika hitsambikina any amin’ny Testamenta Vaovao izay milaza hoe: ‭ Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. (Romana 12.1). 

Koa, IANAO no sorona ankasitrahan’Andriamanitra anio! Ilay sorona "velona". 

Ary raha miverina amin’ny andininy ao amin’ny Testamenta Taloha isika, dia izao no vakintsika: “… ny afo tsy maintsy mirehitra…”, inona marina no dikan’izany ? 

Midika izany fa irin'Andriamanitra ny fifandraisana aminao tsy ho lany bateria. 

Te-hifandray aminao tsy tapaka foana izy, tahaka anao tsy manadino mi-”charge ‘ny findainao rehefa handeha lavitra ianao na rehefa akaiky ho lany ny bateria. Tian'Andriamanitra hanokana fotoana ho Azy isan'andro ianao : 

toa anao maniry hiresahany dia tiany koa ianao miresaka Aminy. 

Mety ho mora loatra e ? Toy izany ny amin’i Jesosy : mora hita Izy, satria te ho hitanao.

Tsy misy Fitiavana toy izany !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.