• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 22, 2026

Ho hitantsika eo hoe nanao ahoana ny tontolo andro…😉

Andro namoahana Apr 22, 2026

Fa ahoana moa ny andro anio no tsy ho tsara ? Mahagaga ny fomba hanombohantsika ny tontolo androntsika indraindray miaraka amin’ny fisalasalana hoe : “ho hitantsika eo..”

👉 “Ho hitantsika eo ny toetr’andro.”👉 “Ho hitantsika eo ny toe-pon’ny lehibe.”👉 “Ho hitantsika eo raha velona ny fiara.”👉 “Ho hitantsika eo hoe hanao ahoana ny ankizy anio.”👉 “Ho hitansika eo ny mailaka mila valiana…”

Fa maninona raha avadika ohatran’izao indray 👍

🌤️ “Tsy andriko ny hahita ny fomba hampaherezan’Andriamanitra ahy indray anio !”🙌 “Tsy andriko ny hahita ny fomba idiran’Andriamanitra an-tsehatra amin’ny fomba tsy ampoizina !”💛 “Tsy andriko ny hahita izay toe-javatra hahakasika ny foko anio !”💪 “Tsy andriko ny hahita hoe rahoviana Izy no hanome ahy hery.”👣 “Tsy andriko ny hahita ny fomba hiantsoan’’Andriamanitra amiko hoe : “Inty Aho.””🤲 “Tsy andriko ny hahita ny fomba hahatongavako ho fitahiana ho an’olona !”

Tsy milaza izany hoe : Ho hitantsika eo raha mety, fa kosa hoe : Tsy andriko ny hahita ny fomba hanaovan’Andriamanitra azy !

💭 Saino vetivety anie izao e : Tsy fantatrao izay ho azonao amin’ity tontolo andro anio ity, fa fantratrao kosa Ilay namorona azy ! 🤗 “Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.” (Salamo 118.24)

Ary izao no voasoratra eo alohan’io andininy io ihany : “Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.” (Salamo 118.23)

Afaka mino izany ve ianao anio ? 🙏 Tsy amin’ny andro manokana, na andro tsy fiasana, na alahady any am-piangonana na rehefa mahatsapa ianao hoe ara-panahy be 😇

Fa Andriamanitry ny alatsinainy maraina Izy, ary Andriamanitry ny harona mavesatra feno ny tsenanao. Andriamanitry ny andro feno ny kiakiakan’ny ankizy sy ny harerahana Izy. Andriamanitra izay mitondra fiadanana ao anatin’ny fikorontanana. Andriamantra izay manavao ny herinao rehefa tsy vitanao intsony izany.

Te hampahery anao aho hanova ny fomba firesakao : Aza miteny hoe “Ho hitantsika eo raha mety, fa hoe Tsy andriko ny hahita ny fomba hanaovan’Andriamanitra azy !  🙌

Ary mety hiteny ianao amin’ny faran’ity andro ity hoe : “Waou, tena tsy nampoiziko mihitsy… fa tena teo Andriamanitra !”

Izaho manokana efa tsy andriko ny hahita izay ho ataony anio… 🤗

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.