• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 18, 2025

✅ Ho fiovana ho anao io !

Andro namoahana Mar 18, 2025

Efa niaina fiovana lehibe teo amin’ny fiainanao ve ianao ? Na niniana natao izany na tsia ?Matetika, ny fiovana dia toa sarotra sy marary amin’ny voalohany.

Misy ohatra iray ity tena mbola tadidiko tsara : tena tiako ny asako tamin’ny naha-mpiasan’ny fiaramanidina ahy, tamina kaompaniam-pitaterana an’habakabaka tao Suisse (fantatrao ve ny Crossair ?). Tampoka teo nefa, nisy fahasimbana tao amin’ny sofiko ary io no nampidina ahy tety an-tany… amin’ny heviny ara-bakiteny mihitsy ! Nesorina tamin’ny sidina aho ka napetraka hiasa anaty birao.

Tsy ela taorian’izay, dia nisy fiovana lehibe hafa indray. Nitambatra ny kaompania roa, ary nahatonga fandroahana mpiasa maro… anisan’izany aho. Mbola tsaroako tsara ny henatra nanjo ahy rehefa tsy maintsy nifindra niala tamin’ilay tranoko aho ka niverina nipetraka tany amin’ny ray aman-dreniko. Toa nahatsiaro ho resy aho.

Kanefa ankehitriny – ENY ANKEHITRINY ! – feno fankasitrahana aho noho iny fandroahana iny ! Heveriko fa raha tsy nisy izany, dia mety tsy ho afaka tamin’ilay asa tsara karama sy nahazoana toerana ambony aho. Ary raha mbola nijanona tamin’izay aho, dia tsy ho velona amin’ity iraka mahafinaritra nomen’Andriamanitra ahy ankehitriny ity !

Indraindray, tsy maintsy avotsitra ilay filaminana mba ahafahana miaina ilay zavatra goavana miaraka Aminy.

Mampihomehy ahy ilay tantaran’i Jona ao amin’ny Baiboly. Tsy nety nandao ny faritra nahazoany aina izy – dia hitanao hoe taiza no niafarany !

Satria rehefa nomen’Andriamanitra iraka izy, dia nandeha tokoa… saingy tamin’ny lalana mifanohitra amin’izay natoron’Andriamanitra ! (Jona 1.3). Haha ! Mety ho isika mihitsy no hanao toy izany! Andriamanitra manome antsika iraka… fa isika mihazakazaka amin’ny lalan-kafa, satria misalasala fa tsy mihaino ny teniny !

Rehefa avy natelin’ny trozona i Jona vao azony ny fiovana nilain’Andriamanitra taminy.

Aza miandry ho tapi-dalan-kaleha vao hihetsika,  Anio dia efa raiso izay lazain’Andriamanitra anao.

Tiako tenenina amim-panetren-tena ianao hoe matokia tanteraka ity teny fikasana ity, izay azoko antoka fa efa novakianao imbetsaka : "Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.”  (Romana 8.28)

Misaotra noho ny fahasahianao.Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.