🙏🏼 Ho an’izay matoky an’Andriamanitra…

Ny Salamo 94 dia milaza hoe: “Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.” (Salamo 94.20-21)
Mieritreritra aho fa maro ny olona amin’izao fotoana izao no mahatsapa toy izany ary tsy azony intsony ny tena mitranga. Betsaka ny ranomaso latsaka… Mampihorohoro e? Kanefa amin’ny lafiny iray, mampahery ihany koa, satria efa nisy izany hatramin’izay. Davida aza efa nitaraina momba an’izany.
Fa midera an’i Davida aho, satria tsy mba nijanona tamin’ny fitarainana fotsiny izy, fa nahita vahaolana foana. Ary io vahaolana io dia nambarany ao amin’ny Salamo 27: “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako?” (Salamo 27.1a)
Tsy nametraka ny fitokisany tamin’ny olona izy, fa tamin’Andriamanitra irery ihany.
Tsy niandry valiny sy fanampiana tamin’ny olombelona izy, fa tamin’Andriamanitra irery ihany.
Afaka misafidy ianao hiandry an’izao tontolo izao hamaha ny olanao, na ho tarihin'ILAY vahaolana mivantana.
Tiako tohizana aminao koa ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 27: “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako? Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. ” (Salamo 27.1 sy 3)
Kay kay kay !!! Amin’izao fotoana izao, toa mitranga amin’ny fiainantsika ihany koa izany. Mahatalanjona fa Davida dia nahavita niteny toy izany, ary mbola nampiany hoe :
“Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.” (Salamo 27.5)
“Ao an-trano fialofany” dia maneho ny hoe Andriamanitra mihaona aminao ao anatinao lalina. Manana ny fombany manokana hihaonana aminao Izy! Manana ny fahafahany manokana Izy hihaonana aminao !
Ho anao koa, safidio anio ny hoe : Tsy hiandry vahaolana avy amin’izao tontolo izao aho fa hiantehitra amin’Andriamanitra, ilay hany VAHAOLANA tokana… amin’izao vanim-potoanantsika izao !
Ianao dia fahagagana !

