🤗 Ho anao koa!
Efa nanao fahadisoana nampisaraka anao tamin’Andriamanitra ve ianao?
Raha izany no izy dia manana hafatra lehibe izay manafaka anao aho. Nahakasika ahy koa izany! Talohan’ny nitambesaran’ io enta-mavesatra io taminao dia efa nisy olona nitondra izany teo amin’ny toeranao! Nentina teo anatrehan’Andriamanitra! Tamin’ny alalan’i Jesosy! Izao no voalaza momba Azy: “koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.” (Hebreo 7:25)
Saino anie izao e ! Jesosy izay velona mandrakizay dia namanao, ary eo anilanao foana Izy mandrakizay! Miady ho anao Izy na inona na inona zava-mitranga! Izy no mpiaro anao, mijoro eo anatrehan'Andriamanitra ho anao, ary mifona ho anao, satria manan-danja lehibe eo imasony ianao, woah!!
Tsy mino izany ve ianao? Andeha hojerentsika ary ny momba an’i Petera, i Petera ilay namadika an’i Jesosy! Tsy nahataitra an’i Jesosy anefa izany… efa fantany dieny mialoha fa tsy maintsy hitranga izany, onena anefa Jesosy manoloana ny fahalemeny sy ny fahadisoany ka nilaza azy dieny mialoha hoe: “Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao..” (Lioka 22: 31-32)
Tandremo : olona hamadika an’i Jesosy no resahany eto! Woah! Satria fantatr’i Jesosy ny adim-panahy hiainantsika. Fantany fa hanao fahadisoana isika. Eny tokoa, ary tian’i Jesosy isika hanana fahafahana hiverina ao Aminy mandrakariva, na manoloana ny fahadisoantsika lehibe indrindra aza.
Ary hoy Izy manamafy: “ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao…” (Lioka 22:32)
Hitantsika ny faran’ny tantara, noho izany mitsangàna amin’ny anaran’i Jesosy !
Satria hiditra an-tsehatra hiaro ahy sy ianao hatrany Izy!
Misaotra Jesosy!
Fahagagana ianao!
