Ho amin'ny zava-baovao!
Vao avy nandalo herinandro vitsy somary mafimafy aho ka efa tsy andriko ny haka herinandro iray hialàna sasatra kely. Amin’ny fitoniana tanteraka. Tsy misy fotoana enjehana, tsy misy antso an-tariby, ary tsy misy mailaka ihany koa.
Na izany aza, taorian'io fotoana fohy "lavitry ny asa" io, dia tsapako fa tena mbola mila hery lehibe aho mba hiverenako tanteraka eo amin’asa izay nijanonako farany.
"Inona moa no nosoratako farany tao amin'ny "Fahagagana isan'andro"? Iza ilay mpikarakara izay niandry fatratra ny valiny avy amiko? ary fanontaniana maro hafa no nivezivezy tao an-dohako.
Tsapako tamin’izany fa mora very isika ary tsy mahafehy zavatra maro raha vao miala kely amin’ny mahazatra. Ary vokatr'izany, na isika miasa tsy misy fiatoana intsony na lasa taraiky loatra ka mahatsiaro tena ho very tanteraka.
Anio, dia te-hizara zavatra tena "manan-danja" momba ity lohahevitra ity aho.
Mety mahatsapa ianao fa tsy maharaka ny fizotrin’ny fiainana intsony, noho ny aretina na toe-javatra iray manokana, ary sarotra aminao ny miverina eo amin'ny toerana izay nijanonao.
Afaka manome toky anao aho fa nilaiko iny fiatoana iny . Nila fialan-tsahatra aho. Marina fa vao avy namaky ny eritreritro sy ny naoty noraisiko tamin’izany aho, fa zara raha misy zavatra azoko!
Na izany aza, tsy hoe taraiky aho akory, fa satria nanomboka tamin'iny "fialan-tsasatra" iny, dia nanjary nanan-karena hevitra betsaka kokoa aho!
Ary sao dia tsy mba taraiky ianao, fa Andriamanitra no efa te hisarika anao ho amin’ny tantara vaovao?
Angamba tsy mila miverina eo amin’ny toerana nijanonao ianao - fa Andriamanitra no nitari-dalana anao "amin'ny toe-javatra" ho amin'ny fanombohana vaovao eo amin'ny fiainanao, ary amin'izao fotoana izao dia afaka "mamerina" ianao - tsy hanohy ny teo aloha intsony, fa miainga amin'ny zava-baovao izay efa nomaniny ho anao!
Izao no lazain’ny Tompo: “Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany”( Isaia 43:18-19a).
Aza manorina eo amin'ny fototra efa niasa intsony raha efa misy rafitra vaovao miseho eo anoloanao.