• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 29, 2025

🙌 Hitaro ny tany nampanantenaina!

Andro namoahana Des 29, 2025

Taorian’ny 40 taona tany an’efitra, dia tonga ihany ny fotoana hidirana ao amin’ny tany nampanantenaina.

Ny toe-javatra nisy azy ireo dia vokatry ny tsy finoana sy ny fikomian’ny vahoakan’Isiraely. Nantsoin’Andriamanitra tokoa ny olony mba hiditra tao, taoriana kelin’ny nialan’izy ireo tany Ejipta, saingy tsy nanararaotra izany fahafahana izany ny vahoaka satria natahotra sy nanamafy ny fony. Ny tsy finoana no mahatonga izany: manaisotra antsika amin’ny anjara omen’Andriamanitra antsika izany. Na dia izany aza, i Josoa dia nanana finoana matanjaka hatrany ary namporisika ny olona handeha haka ny tany… Ary tamin’ny farany dia izy no voafidy hanao izany!

Ny finoana dia mamela antsika hahavita zavatra tsy mampino miaraka amin'Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Josoa: “Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy” ( Josoa 1:3 ).

Indro, hoy Andriamanitra tamin’i Josoa: “Efa nomeko anareo”, toy ny hoe efa nitranga izany Fampanantenana izany! Mba hahatanteraka izany anefa, dia tsy maintsy nanao dingan’ny finoana izy ireo! Tsy ampy fotsiny ny mino; fa tsy maintsy nivoaka sy nanitatra ny faritaniny koa izy ireo, ka nanitsaka ny tany nampanantenaina manontolo.

Antsoina ianao hanitatra ny faritaninao! Eo amin’ny toeram-piasanao, ao amin’ny fianakavianao, miaraka amin’ny namanao... na aiza na aiza misy anao, Andriamanitra dia miantso anao ho fahazavana mamirapiratra tokoa ka hanova ny fiainan’ny hafa. Ary noho izany dia mila finoana matanjaka izay manosika anao hanao zavatra ianao.

Io karazana finoana io no manery anao hiady ho an’ny ankohonanao sy ny olon-tianao, ary hanambara ny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo, toy ny nataon’ny apostoly Paoly tamin’ilay mpiandry tranomaizina manao hoe: “Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao..” (Asan’ny Apostoly 16:31).

Raha izany ara, inona no fanapahan-kevitra azonao raisina anio hanitarana ny Fanjakan’ny lanitra eo amin’ny manodidina anao? Mangataha fahendrena amin’ny Tompo, dia mandrosoa!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.