• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Jol 30, 2026

Hitany ny ranomasonao !

Andro namoahana Jol 30, 2026

Fantatrao ve fa izaho koa indraindray dia manontany tena hoe : “Nahoana aho no manao an’izao rehetra izao ?”

Inoako fa toy izany koa ianao, tonga eo amin’ny fetranao ianao indraindray amin’ny zavatra ataonao, ka mety manontany tena hatramin’ny hoe : “Fa naninona aho no niteraka ? Tsy manana fiainana ho ahy intsony aho !”

Diso fanantenana aho vao tsy ela izay, ary naratsiana imbetsaka, rehefa nisy olona maro samy hafa izay nanambany ny asako. Ary gaga aho rehefa nahatsapa ny lanjan’ireo teny ireo tamiko… Ary mampatahotra ny mahita ny hafaingan'ny finoantsika ireo teny ireo…

Eny, tena fanamby ho ahy foana koa izany eo amin’ny sehatry ny fitantanam-bola. Ary ireo olona ireo dia nanolo-tsaina ahy ny “hanena ny asa ao anatin’ny ministerako, mba hahazaoko vola misimisy any an-kafa”. Nahazo tehamaina ve aho ?!

Nitomany tao an-dakozia aho ny ampitso maraina. Dia nametra-panontaniana amin’ny tenako ny fiainako iray manontolo. Dia niverina nivavaka amim-pahamatorana aho : “Jesosy a, raha tsy mety ny zavatra ataoko, raha tokony hijanona aho, dia asehoy ahy izany!”

Nanokatra kalendrie izay nalefa tamiko aho avy eo. Hitako tao ireto tenin’i Bobbie Schuler ireto : 

“Manana antso lehibe amin’ny fiainanao Andriamanitra. Antso izay miantefa amin’ny olona anankiray izay tena manan-danja,, ary mahita izany olona izany AO ANATINAO izy” 

Tena nampahery ahy ireo teny ireo ! Nampahatsiahy ahy ny fahamarinana izany !

Te hilaza aminao aho fa ho anao ihany koa izany teny izany : eo amin’ny lalana teny mety ianao ! Aza avela hisy hanambany ireo zavatra lehibe izay efa nomanin’Andriamanitra ho anao !

Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany. Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.” (Salamo 37.23-24)

Tsara loatra izany teny izany ! Hitan’Andriamanitra ianao ! Ary tiany ianao ! Aleloia ! Izy no manangana anao, raha mbola manontany tena ianao hoe “ho vitanao tokoa ve izany rehetra izany”!

Hanampy anao Izy - ary hanampy ahy, hatrany hatrany, satria TIANY ISIKA !

Rehefa misalasala ianao ka mangovitra, dia mandehana am-pahatokiana miaraka amin’i Jesosy !

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.