• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 12, 2026

Hitan’Andriamanitra ianao❤️‍🩹

Andro namoahana Jon 12, 2026

Mety mierireritra ve ianao indraindray hoe adinon’Andriamanitra, satria mety sahirana Izy misahana zavatra manan-danja kokoa?

Misy fotoana dia tonga ao an-tsaintsika izany eritreritra izany. Ary matetika, nefa tsy tsapantsika akory.

Izany ny antony hitiavako manokana ity tantara fanta-daza ao amin’ny  ity, miresaka ilay vehivavy nitsi-drà, izay nanatona an’i Jesosy avy ao aoriana hikasika ny lambany. Mety nieritreritra koa izy hoe : “ Mbola sahirana amin’ireto olona marobe ireto Jesosy…”

Ie, an-dalana handeha hijery ilay zanaka vavin’ilay lehiben’ny synagoga Izy, izay narary mafy efa ho faty.

Mety nieritreritra koa izy hoe: “Iza moa izay izaho mihoatra ny zanak’ilay lehilahy manan-danja toy izany?”

Tena tsy mampino fa miverimberina ao anatin’ny Baiboly io fisainana io. Ny zanak’Israely koa dia nahatsapa hoe adinon’Andriamanitra. Hoy Ziona hoe : “efa nahafoy ahy, ary ny Tompoko efa nanadino ahy.” (Isaia 49:14)

Fantatrao inona no navalin’Andriamanitra?

Hoy ny Tompo: “'Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” (Isaia 49:15)

Niaraka tamin’izany finoana izany, niraikitra tao am-pony, no nanatonan’ilay vehivavy an’i Jesosy. Fantany fa tao Aminy ny hery ary tonga Izy hamonjy ny olon-drehetra.

Satria Andriamanitra dia tsy manapa-kevitra amin’ny fihetsem-po. Ny fitiavany dia fanapahan-kevitra matotra. 💖

Ary teo anivon’ny olona marobe, tanatin’ny hamehana hanao fahagagana iray dia nitodika Jesosy dia nanontany : “Iza izany nanendry ny lambako izany?” (Marka 5:30)

Raha tsy norarahiny izany dia nanohy ny diany fotsiny Izy. Fa nijanona Izy….ary hitany io vehivavy io. Naka fotoana ho azy Izy. Hoy Izy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.” (Marka 5:34)

Ary teo noho eo dia nataony ho fantany fa : “Hitako ianao. Fantatro ianao. Tsy adinoko ianao.”❤️

Izany no maha-izy an’Andriamanitra. Na heverinao fa very anatin’ny olona maro ianao - dia hitany. Na mieritreritra ianao hoe misy vavaka manan-danja kokoa noho ny anao - dia mijanona ho anao Izy.

Tsy adinony ianao. Ary tsy ho adinony mandrakizay. Amen🙏🏻

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.