Hiraikitra eo foana ve ianao ?
Fantatrao ve hoe inona no tena hifikirantsika mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra?
Ny fahazarana. Tsy misy mamatotra antsika mihoatra ny fahazarana. Tsy manova na inona na inona isika satria heverintsika fa anisan’ny maha-izy antsika izany—na dia tsy tokony ho toy izany mihitsy aza. Ary matetika isika no mandoa vola be amin’izany, nefa tsy tsapantsika akory izany!
"Tiako hiova be ny fiainako." Tsy mba nanana eritreritra toa izany koa ve ianao tato ho ato?
Raha ny amiko manokana, matetika aho no misaintsaina ity fanontaniana ity: "Ahoana no ahafahako miova mba tsy hahatonga ny tsy fahafaham-poko ankehitriny ho lasa fahazarana?"
Raha ny marina, mihatra amin'ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainantsika izany. Andeha isika haka ohatra tsotra iray: Raha tsy nahafehy ny tenantsika isika tamin’ny sakafo ka lasa tery ny patalohantsika, dia mahatsiaro ho tsy afa-po isika. Mety hitaraina isika hoe :"Indrisy, mahatsiaro ho tsy mahazo aina aho", saingy raha izany fotsiny dia tsy hanova na inona na inona.
Rehefa vonona ny hanapa-kevitra isika - "Hitandrina izay hohaniko amin’izay aho izao" - izay vao afaka mampihena ny lanjantsika. Ary eo no ho eo, dia mahatsiaro ho maivana kokoa, afa-po kokoa ary sambatra kokoa !
Raha mbola mihinana izay rehetra tiantsika isika "am-pahazarana" fotsiny, dia hanaiky “am-pahazarana” izany tsy fahafaham-po izany eo amin'ny fiainantsika koa isika amin'ny farany... mitarika antsika amin'ny lalan'ny fanekena tsy fidiny!
Mamelà ahy hanontany anao: inona no "hohaninao foana" noho ny fahazarana, na dia tsy mahasoa anao aza izany? Inona no fahazarana "miraikitra" aminao?
Indraindray isika manadino fa tsy voatery hijanona ho "voafandrika" intsony isika: “Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.” (2 Korintiana 5:17)
Andro mahafinaritra anio hanaovana veloma ny tsy fahafaham-po amin'ny fanapahan-kevitra an-tsitrapo hiala amin'izany fahazaran-dratsy izany! Ary mivavaka aho mba hanomezan'Andriamanitra anao hery handraisanao ity dingana manan-danja ity!
Ataovy veloma anio ireo fahazaran-dratsinao taloha,
Mifindrà avy amin'ny tsy fahafaham-po ho amin'ny fahafaham-po!
Fahagagana ianao!