• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 12, 2026

Hiova ny fiainanao!

Andro namoahana Mar 12, 2026

Isa-maraina ianao dia hahita antony ahafahanao manapa-kevitra. Fanapahan-kevitra tsy azon’olon-kafa raisina ho anao -  ary goavana ny vokatr’izany!

Tsy azonao fehezina ny asa miandry anao anio. Tsy afaka manapa-kevitra ianao hoe amin’ny fotoana inona ny kibonao no miteny anao hoe noana. Tsy afaka mifehy na ny taratasy na faktiora 🤪 izay hilatsaka ao amin'ny boaty mailakao anio ianao.

Fa zavatra iray no eo an-tananao tanteraka:

💬 Ny teny aloaky ny vavanao mandritra ity tontolo andro ity! 🤗

Satria: "Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany” (Ohabolana 18:21).

Tian'Andriamanitra ho velona ianao! Voalaza mazava ao amin’ny Baiboly izany. Vakio, ohatra, ao amin’ny Deoteronomia: “MIFIDIANA FIAINANA!” (Deoteronomia 30:19)

Midika izany fa tian’Andriamanitra hiteny tsara momba ny tenanao - sy ny hafa ianao!

Tena sarobidy io fanapahan-kevitra io satria manome voninahitra an’Andriamanitra sy manome fiainana ho anao! Mifandray akaiky amin’ny fiainana sambatra kokoa ny fomba fiteninao! Fantatrao ve izany?

Ovay àry ny fomba fiteninao - dia hanova ny fiainanao ianao!

Hafatra somary fohy kokoa anio - ary fantatrao ve ny antony? Satria tsy anjarako ny manova ny fomba fiteninao fa anao! ☺️ Araka ny nolazaiko dia anao ity fanapahan-kevitra ity - ary mamporisika anao aho mba hanao safidy tsara sy hanisy tombo-kase izany fanapahan-kevitra izany anio amin'ny alalan' izao vavaka izao:

“Ray ô, misafidy ny fiainana aho anio… ary hatomboko amin’izay zavatra lazaiko izany…”!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.