• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 25, 2026

Hiala sasatra amin’Andriamanitra sa miaraka amin’Andriamanitra?

Andro namoahana Apr 25, 2026

Fantatrao ve ity fientanentanana ity, rehefa hampilaza ny namanao ianao hoe : “Ho eny amoron-dranomasina aho amin’ny herinandro!” ?

Tena tsy andriko mihitsy koa ny hahatongavan’izany andro izany, satria ny herinandro lasa, izany hoe ny volana lasa mihitsy, dia tena mafy ny zavatra natrehiko !

Ka izao, tonga ihany aho ! Tonga amin’ny fialan-tsasatra ihany aho - herinandro tokana, saingy mandritra izany dia tsy misy raharaha tokony atao aho. Tsy misy fanasan-damba, tsy misy mailaka tsy maintsy valiana, tsy misy solosaina hiasana, tsy misy Baiboly tsy maintsy vakiana…!

Oay aoka aloha! Tsia! Fa ahoana ny amin’ny Baiboly ? Mahazo miala sasatra tsy mamaky Baiboly koa ve aho ? Miala sasatra tsy manokana fotoana ho an’Andriamanitra ? Lazaina hoe namana Izy. Mandritra ny fialan-tsasatra, dia zara raha mifandray amin’ireo namako aho, raha tsy hoe handefa ny sariko falifaly ery eny amoron-dranomasina 🤳🏻 Fantatro fa tsapany ny antony hisintahako mandritra ny andro vitsivitsy.

Ny Andriamanitsika izay miantso antsika hoe sakaizany mihitsy aza (Jereo Jakoba 2:23) dia tena manakaiky antsika amin’ny fomba tsy mampino, satria Izy no Tsitoha!

Ilay Tsitoha! Izy no manam-pahefana feno ny amin’ny zavatra REHETRA ! Mino izany ve ianao ?

Mahefa amin’ny zavatra rehetra Andriamanitra, tsy manam-petra ! Mihoatra noho ny sakaiza Izy - eny, Izy ilay Tsitoha, kanefa dia manaiky hantsoina hoe “namana” satria te ho namanao Izy ! Oay !

Andriamanitra no manam-pahefana tanteraka amin’ny zavatra rehetra, eny fa na ny fizotran’ny fialan-tsasatra aza !

Aza miala sasatra amin’Andriamanitra, fa mialà sasatra miaraka amin’Andriamanitra !

Makà rivotra kely, mba hampiharina izay voasoratra ao amin’ny Zefania 1:7 “Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo!” (Zefania 1:7)

Hamalifaly anao Izy amin'ireo fitahiana maro izay efa nomaniny ho anao amin'ny heriny tsy manam-petra, indrindra amin'izao andro izao !

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.