• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 7, 2023

๐Ÿ”Š Hiaka mankany an-danitra izany !

Andro namoahana Sep 7, 2023

Efa nitaraina tamin’Andriamanitra ve ianao ?Ny teny hoe « mitaraina » dia miseho hatrany ao amin’ny Baiboly. Amiko ny taraina dia mety ho feo mafy na feo malefaka izay miakatra mankany amin’Andriamanitra amin’ny fotoan-tsarotra.Isaky ny miresaka momba ny fitarainana amin’Andriamanitra ny Baiboly dia vavaka lalina sy mafonja hatrany no hevi-dehibeny, izay miseho amin’ny vavaka atao amin’ny feo avo sy feno faharesen-dahatra, na amin’ny vavaka manokana anokafantsika tanteraka ny fontsika ho an’ny Tompo.Na ahoana na ahoana dia manokatra varavarana ho an’ny Tompo izany karazana vavaka izany, mba hiasàny amin-kery eo amin’ny fiainantsika. Hoy ny mpanao Salamo momba izany : « Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko » (Salamo 138:3). Eny ry namako, rehefa mitaraina amin’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo ianao, dia manomana ny fanahinao handray ny Valinteniny.Handinika fanalahidy 7 isika, izay hanampy anao hiaina marimarina kokoa ny herin’ny fitarainana amin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao, ary hanova tanteraka ny fotoam-bavakao. Vonona ve ianao ? Hivavaka isika : “Tompo o ! Misaotra Anao mandrakizay aho mamela anay hankeo anoloanao. Sokafy ny fonay mba halalaka eo amin’ny Fanatrehanao. Ray o ! ampianaro aho hitaraina Aminao avy ao am-poko lalina, ary hanao izany tsy tapaka mba hahitako ny Tananao mahagaga miasa amin-kery eo amin’ny fiainako. Misaotra amin’ny Fitiavanao sy izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainako ! Amin’ny Anaran’I Jesosy, amen !”Sarobidy eo Imasony ianao ry namako.

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.