Hiaino ny ANIO !
“Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan'ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan'ny taona izany;” (Habakoka 3:2)
Feno fahendrena sy fahiratan-tsaina re izany vavak’i Habakoka izany! “Mangovitra” izy eo anatrehan’ny asa lehibe ataon’ny Tompo!
Tsy fantatro raha mahavita mivavaka feno fankasitrahana toy izany aho, raha toa ka nanankina tamin’Andriamanitra ny fahoriako sy ny fitarainako rehetra, ary valinteny toy izao no azoko: “Manana drafitra ho anao aho, fa hokarakaraiko izany ao aoriana ao!”
Ahoana no mety ho fihetsikao?
Nambaran’Andriamanitra tamin’i Habakoka ny fikasany, saingy tsy nambarany ny fotoana hahatanterahany izany.
Izany indrindra anefa no tiantsika ho re!
Izao fotsiny no nolazain'Andriamanitra taminy:
“Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Habakoka 2:3).
Ahoana ny famakianao io andininy io?
Tena misy fomba roa ahafantarana azy:
Ho an'ny ankamaroantsika, ity andininy ity dia miteraka fahasorenana amin'ny voalohany: “Tsy hitranga eo no ho eo izany… sshh… Miandrasa amim-paharetana… sshh… Mila miandry elaela kokoa izany… e!”
Saingy tiako ny hisarika ny sainao amin' ilay fandikana iray hafa koa:
Afaka mampifantoka mora foana ny saintsika amin’ireo “harena miafina” ao ambadik’io andinin-teny io isika, manao hoe: “Hisy zavatra hitranga amin’ny fotoana voatondro!” Midika izany fa tena hitranga tokoa ny fahagaganao ary efa voapetraka ny fotoana! Manamafy izany mazava tsara Andriamanitra ao amin’io andininy io: “Tsy ho ela dia ho tanteraka ireo!”.
Mandra-pahatongan'izany dia tsy tokony hanana fiainana feno tebiteby sy fahakiviana ianao! Tsia, ny mifanohitra amin'izany aza! Satria rehefa matoky Azy aza ianao (izany hoe miandry) dia tiany hiaina ianao!
HIAINO ny anio, satria: "...Izay mahatoky an'Andriamanitra no marina, ka dia manana fiainana!" (Habakoka 2:4).
Raha marin-toetra amin'ny tenanao ianao dia mahatsapa ve fa miaina araka ny tokony ho izy ianao amin'izao fotoana izao, sa miandry ny fahagaganao ianao vao tena hanohy ny fiainana?
Raha izay no izy dia manoro hevitra anao aho, araka ny voalazan’ilay andininy, mba hanavao ny fitokianao amin’Andriamanitra anio, “na dia maharitra ela aza izany”. Fa ho avy ny fahagaganao "amin'ny fotoana voatondro"!
Tian'Andriamanitra hiaina ianao ANIO—na dia tsy hitranga raha tsy RAHAMPITSO aza ny fahagaganao!
Fahagagana ianao!