Hiaina ny fahatsaran’Andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Hiaina ny fahatsaran’Andriamanitra

Raha manontany anao izao aho hoe inona no toetra tsara hananan’Andriamanitra dia inona no tonga ao an-tsainao voalohany?
Nandritry ny taona maro aho no nampianatra sekoly alahady ny tanora tao amin’ny fiangonana misy ahy. Ho an’izy ireo dia tsotra ny valin’izany fanontaniana izany: “Tsara Andriamanitra”. Ary rehefa sendra misy ankizy variana dia manontany azy hoe inona no resahantsika teo, ny valinteny mahazatra dia io ihany: “Tsara Andriamanitra” na dia tsy mihaino aza izy. Lasa toy ny lohahevitry ny resakay ilay izy =)
Hoy ny baiboly : “Aza mety hofitahina ianareo, ry rahalahy malalako. Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.” (Jakoba 1 :16-17). Eny ry namako, tena tsara Andriamanitra. Eny tokoa, Izy no Fahasoavana, Izy no Loharanon’ny fahatsaran’izao rehetra izao. Avy Aminy ny zavatra tsara rehetra.
Ny ankamaroantsika dia mino sy manaiky izany fahamarinana izany. Matetika anefa amin’ny saintsika ihany no hinoantsika izany, fa tsy tena miaina tanteraka izany isika satria raha hahatanteraka izany dia tsy maintsy mino amin’ny fontsika koa isika. Izany indrindra no antony mahatonga antsika amin’ity herinandro ity hiara-hirona amin’izany fahamarinana mandrakizay izany dia ny fahatsaran’Andriamanitra. Miomàna hiaina fotoana izay hampisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao.
Hivavaka isika : “Tompo o, misaotra Anao izahay ny amin’ny zavatra rehetra nataonao anay. Misaotra anao mandrakotra anay amin’ny fahatsaranao sy ny fanirianao mitahy anay amin’ny lafim-piainanay rehetra. Ampio aho hahatakatra bebe kokoa ny fahatsaranao, ary mba voatahiry lalina ato am-poko izany fahamarinana izany. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen !
Ato am-poko sy ao anatin’ny vavako ianao, ry Namako.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!