• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 12, 2025

🤫 Henoy ny tsiambaratelon’Andriamanitra !

Andro namoahana Jol 12, 2025

Efa manakaiky tsikelikely ny faran’ity andininy ity isika. Anio dia hifantoka amin’ity ampahany ity isika : “Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina…” (Matio 6:6).

Ny fizarana tsiambaratelo amin’ny olona iray dia zavatra manamafy kokoa ny fifandraisana matetika .

Amin’ny heviny fototra, ny tsiambaratelo dia tsy tokony aseho ampahibemaso, fa zaraina amin’ny olona vitsy ihany. Noho izany,  ny fizarana ireo tsiambaratelo manokan’ny tena dia atao amin’ny olona azo itokisana ihany.

Izany indrindra no mitranga ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, ao amin’ilay Toerana Miafina : azontsika idirana ny fon’Andriamanitra, ary satria isika no namany, dia mampiseho sy mizara amintsika zavatra tsy mbola hitantsika taloha mihitsy Izy.

Jereo ireto andininy ireto avy ao amin’ny Baiboly :

  • “Fa iza moa no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?” (Jeremia 23:18). Tany amin’ny Testamenta Taloha, dia efa nanana zava-miafina Andriamanitra, ary nitady olona vonona hihaino Izy mba hanambarany an’izany.

  • “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.” (Amosa 3:7). Ny mpaminany dia anisan’ireo olona tena akaiky indrindra sy tena nitsinjo ny fon’Andriamanitra. Mahafinaritra ny mahita fa mampahafantatra amin’izy ireo ny tsiambaratelony Izy, ary tsy manao na inona na inona Izy raha tsy efa noresahiny tamin’ny namany, ireo mpanompony mahatoky aloha... Andriamanitra dia tia fifandraisana !

  • “Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.” (Salamo 51:6). Izany no fomba niresahan’i Davida tamin’Andriamanitra, ilay anisan’ny olona akaiky indrindra Azy tao amin’ny Testamenta Taloha.

Eny, ao amin’ny Toerana Miafina, ao anatin’izany fifandraisana akaiky izany no andaniantsika fotoana amin’Andriamanitra, ary miteny amintsika Izy, manome aingam-panahy, mitarika, manambara zavatra, manome fahendrena, sns.

Ry namako, nantsoina ianao mba hiaina izany Toerana Miafina izany ! Isan’andro dia manana fahafahana hanatona an’Andriamanitra ao amin’io toerana manokana io ianao, mba hijoro eo anatrehany amin’ny maha zanak’Andriamanitra, miaraka amin’ny fo misokatra izay maniry mafy ny hifandray Aminy.

Ao no anehoan’ny Tompo aminao ny zavatra lalina indrindra avy amin’ny fony, ary ao koa no mitombo fatratra ny finamananao Aminy. Ao no manome anao ny fahendreny Izy, sy ny fanambarana izay ilainao amin’io dingana iainanao amin’izao fotoana izao io, ary ao no asehony anao  ny “zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao” (Jeremia 33:3).

Anio, avia, manatòna aingana eo amin’ny Fanatrehany, ary avelao Izy hanavao tanteraka anao (Isaia 56:7). Maniry fatratra ny hiaraka manokana aminao Izy !Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.