Hatramin’ny farany
Misy lehilahy iray izay ao amin’ny Baiboly tena sahy nijoro hatramin’ny farany noho ny Filazantsara. Mety hiteny ianao hoe maro izy ireo no ao, ie marina izany fa ity iray ity tena niavaka satria dia toriteny iray monja no nataony dia novonoina izy.
Nisy fotoana tokoa ny apostoly tena nohenjehina mafy, misy ireo nampijaliana, misy ireo nalefa tany am-ponja ary nisy novonoina ho faty mihitsy. Anisan’ny nampiavaka ity rahalahy iray ity dia ny fahafehezany ny tantaran’ny baiboly ary ny nijoroany hizara ny Filazantsara. Na teo aza ny fanenjehana dia tsy nampihemotra azy velilvely izany. Ny tena nahakasika ahy dia vao voafidy amin’ny asa fitoriana izy dia nosamborina. Raha teo amin’ny toerany isika, mety inona re no nataontsika e? Mety nisalasala tamin’antson’Andriamanitra ve isika? Nosafidiana tao anatin’ny maro i Stefana ary toy izao ny famaritana momba azy : “ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina” (Asan’ny Apostoly 6:5). Tsy lavitra eo koa fa nofaritana hoe : “Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.” (and 8) sy hoe “Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo” (and 10)
Rehefa nasaina nandahan-teny izy dia tsy mba nisorona fa nahintsy. Misy zavatra nambarany izay nandotika ny fon’ireo nisamboatra azy ka namoaka azy ivelan’ny tanana ary nitora-bato azy. Fanatrao ny navalin’i Stefana? “Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao.” (Asan’ny Apostoly 7:60). Tena manasa anao aho haka fotoana manokana hamakiana io toko faha 6 sy faha 7 io.
Ny hampaherezako anao anio, eny na ny tenako aza, dia na tahaka ny ahoana ny vesatra mety misy eo amintsika, indrindra ny fanenjehana noho ny Filazantsara dia tehirizo ho madio hatramin’ny farany ny fonao, tsy ny olona rehetra no ho faly aminao. Eto Madagasikara mbola tsy toy ny any amin’ny tany hafa izay tena manenjika fatratra ny kristianina fa mijoroa hatrany amin’ny teny voarainao ary ento am-bavaka sy mifampivavaha. Dia aoka isika rehefa asaina ho faritan’ny olona hoe fantatrao ve i… dia ho toa an’i Stefana hoe feno finoana sy ny Fanahy Masina izy.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕