đź’Ş Hatraiza no vitanao ?
Mihevitra ny tenanao ho olona mahery ve ianao?
Fony aho mbola kely, dia nihevitra aho fa tsy nanana hery firy ny sandriko. Hitako fa nahay nanipy baolina lavitra be ny namako tany am-pianarana, hany ka nihevitra aho fa tsy tena natanjaka loatra. Nojeren’ny dokotera ny sandriko, indray andro, nandritra ny fitsirihana ara-pitsaboana. Ary nahagaga ahy ny namaranany ny teniny hoe: "Oay, manana hery be ianao." Nanome toky ahy ny teniny ary nisy vokany tamiko! Tsapako fa natanjaka ihany aho tamin'ny farany ary ny olana nanjo ahy tany am-pianarana dia tsy noho ny tsy fahampian'ny hery, fa noho ny teknika ratsy.
Ianao koa dia mety nino lainga momba ny tenanao nandritra ny androm-piainanao. Nihevitra ianao fa tsy manana hery, fa tsy misy vahaolana, ary tsy hiova mihitsy ny toe-javatra misy anao. Fa anio, dia te-hilaza aminao aho hoe : "Manana hery lehibe ianao."
Tiako hitoetra ao an-tsainao sy ao am-ponao ireto teny ireto, satria marina izany : Manana hery lehibe ianao ao amin’ny fanahinao. Izao no lazain’ny Galatiana 5:22 : Ny Fanahy Masina dia mamokatra ao anatinao izany “herin-tsaina” izany, ilay fifehezan-tena izay ahafahanao miatrika ny toe-javatra rehetra miaraka amin’ny herin’ny Tompo.
Hoy ny apostoly Paoly: “Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.” (Efesiana 6:10). Mahery tokoa ianao amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Tompo! Fotoana izao hanombohanao hino sy hiaina izany. Fotoana izao hanombohanao haka hery ao amin’ny Tompo, mihoatra noho ny hatramin’izay.
Te hiara-hivavaka amiko ve ianao? Aoka isika hitondra ny tenintsika amin’Andriamanitra manao hoe: “Tompo ô, mangataka Aminao aho mba hanampy ahy hahatsapa bebe kokoa ny hery ara-panahy ananako ao Aminao. Mangataka aho mba hamoa ho Anao ny fiainako, hamoa avo zato heny, voa izay mahafaly Anao sy ho fitahiana ho an’ny manodidina ahy. Fenoy Anao aho, ary aoka ny Fanatrehanao sy ny Fitiavanao hitobaka eo amin’ny fiainako! Amin’ny anaran’i Jesosy, amen.”