Hanao zavatra TENA TSARA ho an’izany Andriamanitra!
“Tokony nilamina avokoa ny zavatra rehetra!”
Izany no mety ho noeritreretin’i Daniela ao amin’ny Baiboly. Azo antoka fa nanana drafitra, nofinofy, tanjona io tovolahy io… Mety raiki-pitia izy ka nikasa ny hangataka ilay olon-tiany ho vady tamin’izay andro izay…
Saingy nitsimbadika ny zava-drehetra!
Zazalahy tena nahay i Daniela. Voalaza fa tsara tarehy sy salama izy. Hendry, matsilo saina, ary tena nahay! (jereo ny Daniela 1:4). Teo an-tongony izao tontolo izao...
Mandra-piova ny zava-drehetra!
… ka nalaina an-keriny izy! Lavitry ny fonenany sy ireo nofinofiny. Raha mba nanan-tsafidy izy, azo antoka fa tsy ho nandao ireo nofinofiny mba handeha any an-tany hafa izay manompo andriamani-kafa…
Mety mieritreritra koa ianao izao hoe : “Izaho koa tsy mba nanan-tsafidy…”?
Hiaraka hisaina izao isika : Tsy hoe noho izy niharam-boina no nakàna an-keriny an’i Daniela. Nalaina an-keriny izy satria hendry, tsara tarehy ary natanjaka! Satria tao aminy avokoa izay rehetra nilain’ny fahavalo ho amin’ny fanompoana azy. (Jereo Daniela 1:4).
Angamba manontany tena koa ianao hoe nahoana no mitady ho rava ny fiainanao na ny asanao, kanefa toa anananao avokoa izay rehetra ilaina. Angamba mahatsiaro ho “voageja” ianao, tahaka an’i Daniela, ka mahatsiaro hoe eo am-pelatanan’ilay fahavalo. Koa mijoroa manoloana ny zava-mitranga tahaka ny nataon’i Daniela:
Mamelà ahy hampihatra ny teny ao amin’ny I Petera 2 : 9, eo amin’ny fiainanao manokana, mba ho mazava kokoa aminao : “Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;” (I Petera 2:9). Nifidy anao Andriamanitra!
Matokia : Raha nitsimbadika ho amin’ny RATSY INDRINDRA ny fiainanao, hanao zavatra TENA TSARA ho an’izany Andriamanitra!