• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
Andro namoahana Mey 12, 2025

💥 Hanana fiantraikany amin’ny olona maro ianao !

Andro namoahana Mey 12, 2025

Manantena aho fa nitondra fitahiana ho anao ireny andian-dahatsoratra ireny, ary mampisy aingam-panahy anao . 

Mitohy amin’ity andininy ity indray isika hoe : “Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.” (Jaona 1:9-10)

Saintsaino anie izay mety ho fihetseham-pon’i Jesosy tamin’izany e : Izy Ilay Mpamorona, Ilay niara-nisy tamin’ny Ray sy nandrindra ny antsipiriany rehetra tamin’ny famoronana, dia tsy neken’ny zavaboaary noforoniny akory.

Na izany aza, tsy nataony hahatezitra Azy izany na nataony sakana . Fa ny mifanohitra amin’izany mihitsy aza : nisy elanelana teo amin’Andriamanitra sy ny olombelona, ary io no antony nahatongavany, mba hamaha io olana lehibe io.

Nandoa ny vidim-panafahana faratampony indrindra Izy, mba tsy ho very sy hisaraka amin’Ilay Mpamorona intsony ny zavaboaary, fa mba ho afaka hihaona marina amin’Andriamanitra.

Tena tiako ny fomba ilazan’ity andininy resahintsika anio ity hoe : mamiratra amin’ny olona rehetra ny fahazavan’i Jesosy. Samy afaka miova sy manova fiainana amin’ny alalan’io fahazavana be voninahitra io ny tsirairay, satria tia antsika Izy ary “ tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9)

Ry namako, ny fahazavan’i Jesosy dia mamirapiratra ao anatinao, ary mankany amin’ny manodidina anao amin’ny alalanao. Anio, avelao izany fahazavana sarobidy izany hameno anao tanteraka, mba ho voakasiky ny fitiavan’Andriamanitra izay ao anatinao ny olona maro.

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra