๐ Hanaiky ny fanasana ireo tsy mpino ao amin'ny fianakavianao!
Heveriko fa ny iray amin'ireo olana mavesatra indrindra ho an'ny mpino dia rehefa manana mpianakavy tsy mbola voavonjy sy tsy mahafantatra an'i Jesosy Kristy izy .
Raha ny amintsika kosa dia efa niaina ny fitiavana sy ny kasik’Andriamanitra izay mampiova tao anatintsika, ary fantatsika ny maha-sarobidy ny fiainana miaraka Aminy. Rehefa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, dia tsy tiantsika ny ho faty na dia iray aza amin’ny fianakaviantsika, raha tsy mahazo izany traikefa momba ny famonjena izany!
Marina fa tsy afaka manery na iza na iza hanara-dia an’i Jesosy isika, satria tsy maintsy mandray ny fanapahan-keviny ny tsirairay. Mahaliana anefa ny manamarika fa ao amin’ny fanoharana momba ny fanasana lehibe ny Tompo, dia niteny ara-bakiteny tamin’ny mpanompony hoe: “ Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko. …” (Lioka 14:23).
Miharihary fa tao amin’io fanoharana io, tsy tokony hivoaka eny amin’ny arabe ilay mpanompo, mba hitarika amin-kery ireo olona izay sendra azy teny an-dalana. Tsy tokony hanohitra ny sitrapon’izy ireo izy, na hiady amin’izy ireo mba hanery azy ireo handeha ao amin’ilay fanasana. Tena ratsy indrindra eo amin’ny tantara izany fitahirahana amin-kery handeha ho ao amin’ny fanasana izany ! =)
Eto, ny teny hoe “manao izany” dia maneho toe-tsaina feno faharetana izay milaza fanasana olona iray amin’ny fahalemem-panahy sy feno fandresen- dahatra, ka na dia nandà ny fanasana ary ilay olona amin’ny voalohany, dia manaiky ihany izy ny farany ary manapa-kevitra ny hanatrika izany, satria tsy mahita fialan-tsiny intsony.
Izany dia ilay fahafahana tsy mamotsitra, ary tsy mijanona amin’ilay "tsia" voalohany. Ary izany koa dia ilay fahafahana manohy manantena sy manampy ny hafa mba hahatsapa ho tena ekena, sy tena irina ho an'ity fanasana ity, ary tena tiana izy, hany ka manapa-kevitra ny hanao dingana amin'ny fanekena ny fanasana.
Efa nihaona tamin’ny mpino izay “mavesatra” tokoa aho, izany hoe tsy mitsahatra ny manenjika ny havany tsy mpino izy, miampanga azy, ary milaza aminy izay tsy maintsy ataony. Tsy izany no fomba tokony hiresahana amin’izy ireo momba an’i Jesosy Kristy! Toy ny hoe mitady hanome tehamaina azy ireo izany isika mba hanekeny hiaraka amintsika ho any amin’ny fanasana Tsy misy olona tia omena tehamaina izany!
Anio aho dia te hamporisika anao hanova izany toe-javatra izany: ary raha mangataka amin’Andriamanitra ny Fahendreny isika mba hanovàny tanteraka ny toe-pontsika amin’ireo fianakaviantsika izay tsy mbola mahafantatra Azy?
Ry namako, fotoana izao hitarihana ny fianakavianao ho eo amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fitiavanao tsy misy fetra.
Mivavaka aho mba hahatsapan’izy ireo hoe tena tiana sy mba hahazo aina izy rehefa miaraka amintsika, ka izy ireo mihitsy indray no hangataka fanazavana amintsika mikasika ny finoantsika. Tena hahafinaritra izany, sa ahoana hoy ianao? Izany no mitranga rehefa misafidy ny hitia tsy tapaka isika ka hamela an'Andriamanitra hanao ny asany, fa tsy miezaka amin’ny tenantsika hanao izany =)
