• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 2, 2025

Hainao ve ny manavaka ny sarotra havahana ? 🤔

Andro namoahana Okt 2, 2025

Anisan’ny fianarana tena goavana indrindra amin’ny fanarahana an’i Kristy ny fahaiza-manavaka.

Araka ny hita omaly dia miresaka amintsika amin’ny fomba maro samihafa Andriamanitra, fa ny zavatra ambarany dia matetika mety hifangaro amin’ny eritreritsika ihany. Ny manavaka izay avy amin’Andriamanitra sy avy amintsika samirery dia tsy moramora. Fa vao mainka sarotra kokoa izany rehefa mitady hamboly lainga ao an-tsaintsika ilay fahavalo. Koa ahoana no hahaizantsika manavaka, izay tena avy amin’Andriamanitra?

Tsotra ny valin-teniko amin’izany : ny traikefa, ny fotoana. Anio, folo taona aty aoriana, moramora kokoa amiko ny manavaka ny eritreritro sy ny eritreritr’Andriamanitra. Eny, nandritra izay taona maro izay, nianatra bebe kokoa momba ny hoe “tahaka ny ahoana ny feon’Andriamanitra” aho. Nianatra hamantatra ny zavatra tsapako aho rehefa mandre Azy miresaka amiko sy ny karazana voa aterak’izany eo amin’ny fiainako. Rehefa nandeha ny fotoana, dia hitako ihany koa ny karazana fihetseham-po mifandray amin'izay lazain'ny fahavalo sy ny ataony.

Hoy ny Baiboly : “Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14). Amin’ny dikan-teny hafa dia manana fahafahana hamolavola fomba fijery tsara kokoa momba ny tontolo ara-panahy isika. Eny, rehefa mampihatra ny fahaiza-manavaka ianao dia mitombo bebe kokoa.

Mitaky fotoana izany, ary aza manahy raha toa ka tsy mbola sendran’izany ianao amin’ny fiainanao. Ny zava-dehibe indrindra dia ny fonao mietry sy manaiky anarina ho an’Andriamanitra, sy ianao maniry lalandava ny hihaino ny Tompo. Horesahintsika izany rahampitso.

Hiara-hivavaka amiko ianao? “Tompo ô, mangataka Anao aho mba hampitombo ahy amin’izay tianao hananako fahaiza-manavaka. Te hahafantatra ny feonao aho rehefa miteny ahy Ianao, ary manana fomba fijery tsara kokoa ny amin’izay Sitraponao eo amin’ny lafim-piainako rehetra. Misaotra Anao eo anilako mandrakariva sy mananatra ahy! Amin’ny Anaran’I Jesosy, Amen.”

Ato am-poko ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.