• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 31, 2023

๐Ÿ˜‰ Hahomby ianao !

Andro namoahana Des 31, 2023

Efa nandeha tamin’ny orana mivatravatra amin’ny andro mafana ve ianao ? Raha eny dia tena lena hatrany an-tampon-doha hatrany am-paladia angamba ianao… Tena mahafinaritra sy mamelombelona izany !Ny Baiboly dia milaza fa ny Tenin’Andriamanitra dia tahaka ny ranon’orana miraraka amin’ny tany ary mamokatra foana. Tsy miverina Aminy foana, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrapony ary ambinina amin'izay ampandehanany azy. (Isaia 55.10-11).Tahaka izany ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao : mahatanteraka ny Sitrapony foana, izany hoe manome ny Fiainany ho anao, mameno anao amin’ny Fanatrehany, mamelombelona anao amin’ny Teny Fampanantenany, hameno anao amin’ny fifaliany, hanala izay ratsy rehetra ao aminao.Izany no vokatry ny Tenin’Andriamanitra rehefa mikasika ny fontsika. Izany no nahatonga an’Andriamanitra niteny an’ity tamin’izy nanendry an’i Josoa mba hitondra ny zanak’Israely any amin’ny Tany nampanantenaina : “Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina” (Josoa 1.8)Anisan’ny andinin-tsoratra masina malaza ao anaty Baiboly izy io. Ho azonao izany rehefa misaintsaina izay lazainy ao anatin’ilay Tenin’Andriamanitra ianao :Hazony eo akaikinao mandrakariva ny Tenin’AndriamanitraSaintsaino andro aman’alina.Aza miala amin’izay lazainy.Ary ireto ny fampanantenana mifamatotra amin’izany :Hahomby ianao amin’izay ataonao rehetraAmbinina ianao amin’ny zavatra rehetra.Waouh ! Ry namako, mampahomby anao amin’ny zavatra rehetra ny Tenin’Andriamanitra. Mamporisika anao aho hamaky izany minitra vitsivitsy isan’andro, hisaintsaina izany ary hamela ny Tompo hiresaka aminao amin’ny alalan’izany : ho kanto tokoa ny vokatr’izany eo amin’ny fiainanao. Maninona moa raha atomboka amin’izany ity taona vaovao ity?Mirary taona feno fitahiana ho anao ry namako.

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.