⌚ Fotoanan’ny fiovana izao !
Nandritra ny fitsangatsanganako tany anaty ala, dia nihaona tamin’ny mpiandry ala iray izay namboly hazo vaovao aho. Hoy izy tamiko: “Asa be ity, ary mety tsy ho hitako akory ny vokatra, fa ny zanako kosa no handova izany!” Wouah, hevitra lalina izany!
Tamin’izay fotoana izay, dia nandinika aho hoe tena takatr’i Maria ve ny antony nanarahany io làlana tsy mahazatra io? Isika ankehitriny dia mahafantatra ny zava-mahagaga rehetra nataon’i Jesosy nandritra ny fiainany, sy ny fomba nanovany ny tantara manontolo!
Fa i Maria, izay vao avy niteraka, dia tsy nahare afa-tsy izao teny nataon’ny anjely taminy izao:“Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy”(Lioka 1.31-32)
Tsy mbola nahita na inona na inona izy tamin’izany fotoana izany, fa nandre izy – ary nino! Nino izy fa hitranga ny tenin’Andriamanitra! Ary ianao? Mety tsy mbola mahita na inona na inona koa ianao, nefa efa nandre, ary ankehitriny dia manontany anao aho raha hinoanao koa fa hitranga izay nolazain’Andriamanitra?
Ao amin’ny Hebreo dia voasoratra hoe:“Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.”(Hebreo 11.13). Fahatokiana lehibe izany!
Toy ilay mpiandry ala izay namboly hazo. Tsy mbola hitany ary mety tsy ho hitany velively ny vokatry ny asany, na ilay fitahiana ho avy. Saingy mino sy manana fahatokiana izy !
Andeha ary hampahery tena isika ary hanohy hatrany na dia tsy mbola misy zavatra hita maso aza amin’izao fotoana izao!
Ny fahatokisana no fanombohan’ny finoana, ary manome hery an’izay mino izany.
Izany no nitranga tamin’i Maria, tahaka ny nahazo ireo mahery finoana maro hatrizay, ary ho toy izany koa aminao! Matokia!
Inona ilay hazo izay ambolenao anio noho ny finoanao? Mety ho ilay nofinofy napetrak’Andriamanitra tao am-ponao hatry ny ela ve? Fahagagana ianao!
