Fotoanan’ny famerenana izao !
Ianareo ve tia mozika ? Izaho tena liana manokana amin’ny mozika ! Saika mandritra ny tontolo andro aho no mihaino mozika. Mihaino mozika lafika mihitsy aho, amin’izao fotoana izao, eto am-panoratana ity hafatra ity aminao.
Anisan’ny tsy mampino dia ny fahalalana fa ny mpitendry dia afaka mandany ora maro isan’andro hanaovana famerenana, mba hanatsarana hatrany ny teknikany.. Izaho manokana dia tena tia mozika, fa tsy nahavita nampivelatra ny teknikako tahaka ny tena mpitendry matihanina. Niaina fotoana maro aho izay nianarako kokoa ny mozika, nanao piano na gitara, fa tsy tonga hatramin’ny hoe lasa fahazarana isan’andro mitohy foana. Inona no tsy ampy tamiko tsy nahatongavako ho lasa mpitendry matihanina? Ilay fahazarana isan’andro io.
Ny fahazarana no mampiavaka. Hoy ny Baiboly : “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” (1 Korintianina 15:58). Eny ry namako, ny fiorenanao sy ny fahazaranao dia mitondra fahasamihafana eo amin’ny fiainana maha-kristianina anao. Ireo fanalahidy roa ireo no manampy anao mitombo ara-panahy sy manompo ny Tompo amin’ny fahamatorana bebe kokoa amin’ny finoana. Eny, manampy anao hitombo hatrany ny fahazarana !
Hijery ireo fanalahidy 7 izay hanampy anao hitombo tsy tapaka ary tsy misy sakana ao amin’ny Tompo isika. Vonona ve ianao ? Hivavaka isika : « Tompo o ! misaotra amin’ny Fitiavanao sy izay rehetra ataonao eo amin’ny fiainako. Mangataka Aminao aho hanampy ahy hanana fahazarana misimisy kokoa sy hitombo hatrany ary hitombo tsy tapaka sy azo antoka ao Aminao, mba hahafahanao mamiratra sy mampitobo ao anatiko izay rehetra iantsoanao ahy. Amin’ny Anaran’i Jesosy, amen ! »
Am-poko ianao. Fahagagana ianao !