• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 15, 2026

Fotoana kely ho an’ny fonao.

Andro namoahana Apr 15, 2026

Hono hoy aho, manomboka ny andronao toy izao ve ianao, ilay ianao iny mihitsy, sady mbola miraikitra ny masonao?

Hitanao, miaraka amin’ilay zavatra kely maina sy madity iny, izay hita eo amin’ny sisiny maso amin’ny maraina, izay antsointsika hoe “taimaso” 😅 - fa amin’ny fitsaboana, dia “sécrétion oculaire na mucus” no fiantsoana azy. Eny tokoa, nianatra zavatra ianao ! 😉

Toa somary maharikoriko, nefa tena voajanahary. Tianao ho fantatra ve hoe nahoana ? Satria mandritra ny alina, dia manadio tena ny maso !

Mahagaga, sa tsy izany ? Andriamanitra dia namorona ny vatanao mba hamoahan’ny maso ranomaso na dia matory aza ianao, mba hanalana ireo loto. Manadio tsy tapaka ny vatanao.

Na izany aza, te hanontany anao aho : 👉 Raha midio tsy tapaka ny vatantsika, tsy tokony hanao toy izany ve isika amin’ny fontsika ?

Tsy miaraka amin’ny rano akory na savony🧼🫧 Fa amin’ny alalan’ny marina, ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka. Amin’ny fotoana mahazatra - tsy tapaka - izay hivavahanao hoe : 

Ray o, mifona aminao aho amin’ny fanadinoako”, rehefa mahatsiaro fa alavitra Azy ianao ao anatin’ny tontolo andro.

Satria inona ny soa azo avy amin’ny fahadiovana ivelany, raha toa ka mbola feno vovoka ao anaty ? 

Hoy Jesosy ao amin’ny Matio 23.26 : “diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.

Eny, mila diovina ny fontsika. Ary fantatr’Andriamanitra loatra ny hafainganan’ny fahalotoany.. Izany no antony nanaovany izany fomba fiasa ao anatin’ny vatantsika izany - hampahatsiahy fa isika koa dia mila fanadiovana ara-panahy foana.

Tsy hoe indray mandeha isan-taona, na amin’ny lohataona, fa isan’andro. Toy ny fanasanao tarehy isa-maraina, na ny masonao manadio tena mandritra ny alina, dia afaka mangataka amin’Andriamanitra koa ianao isa-maraina sy isa-minitra hoe : 

Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.” (Salamo 51.9-10) Amen !

Fahagagana ianao ! 💛

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.