Fotoana ialanao amin’ny poizina izao !
Araka ny nolazaiko omaly, ity adalan-soratra ity dia mirakitra andiana fanalahidy maro, izay hanampy anao hahatratra ny fampanantenana nomena amin’ny farany, dia fahazoana fiainana misy vokatra sy mahomby amin’ny lafiny rehetra izany.
Ny fanalahidy voalohany dia hita ao amin’ny andininy voalohany raha voasoratra fa : “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira” (Salamo 1:1).
Misy dingana voalohany tsy maintsy lalovanao raha te ho voatahy ianao amin’ny lafim-piainanao rehetra dia ny miala amin’ireo fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainanao izany.
Ndeha hojerentsika ny lazain’io andininy voalohany io. Ny fitahian’Andriamanitra dia mirotsaka amin’ireo izay :
- Tsy manaraka ny torohevitra ratsy omena azy.
- Miala amin’ny fahotana isan-karazany, eny na milaza aza ireo namana hoe “tsy maninona izany fa manao toy izany ny rehetra”.
- Tsy miombona amin’ny mpanaratsy sy ny mpifosa ny hafa.
Eny, ny torohevitra ratsy, ny fahotana, ny fanaratsiana sy ny fifosana dia manana fahefana manakana ny fitahian’Andriamanitra ho anao.
Mety tsy mino angamba ianao fa misy tetik’adin’ny haizina maka toerana ho azy ao ambadiky ny fanapahan-kevitra sy ny asa rehetra eo amin’ny fiainanao, mba hanosehana anao hiala amin’ny sitrapo sy ny fitahian’Andriamanitra.
Mety efa imbetsaka ianao no tafalatsaka tamin’ny sasany (na izy rehetra) amin’ireo fakam-panahy ireo ary mety ho mahatsapa tsy mahavita mandroso na koa mihodinkodina ao an’efitra fotsiny.
Ry namako, fotoana ialanao amin’ny poizina izao !
Te hanentana anao aho anio hisaina ireo teboka 3 ireo. Angataho ny Ray mba hampiseho aminao mazava ireo sehatra nahatafalatsaka anao sy izay zavatra tokony ataonao manomboka izao mba tsy hahatafalatsaka anao intsony ao anatin’ireo zavatra ireo.
Mety ho voatery hametraka fefy ianao, ary mety hanary ireo finamanana sasany izay mitaona anao amin’ny ratsy. Saingy saino ny valisoan’ny fiainana izay ampanantenain’ity Salamo ity anao fa tena mendrika izany ! 😀
Amin’izao hakatokin’ny fankalazana ny nahazoana ny fahaleovantena izao dia mivavaka manokana aho ny hikisahan’izay endrika poizina eo amin’ny firenentsika ary hifantohantsika amin’Andriamanitra irery ihany.