Fotoana ho amin’ny misimisy kokoa izao!
Inona avy ny fahazaranao?
Hitako hoe mahaliana be ny mieritreritra an’izany. Satria amin’izay vao tonga saina isika amin’ireo fahazarana efa nifikirantsika, izay mametra sy manakana antsika tsy handroso ho azy fotsiny teo.
"Tsy misy zavatra miraikitra amintsika mihoatra noho ny fahazarana!"
Nandre an’io fehezanteny io tao amin’ny horonantsary TikTok iray aho vao aingana. Tsy dia matetika isika no mandre zavatra tena misy dikany ao, saingy nampisaintsaina ahy io fehezanteny io. Manana ny fahazarantsika tokoa mantsy isika rehetra ary mahatsiaro ho voaaro ao anatin’izany. Na tsara izany na ratsy.
Nefa misy zavatra iray afaka mandrava ny fahazarana REHETRA: ny fitiavana.
Efa raiki-pitia ve ianao? Ny olona raiki-pitia dia manao zavatra izay tsy mbola nataony mihitsy teo aloha. Tsaroako tamin’izaho raiki-pitia, fa nanao ny tsy fanaoko mihitsy aho, ka lasa nihanika tendrombohitra niaraka tamin’ilay olon-tiako satria izay no tiany.
Ary ny niafaran’ny tantara: Nanomboka tamin’izay andro izay, lasa tia tendrombohitra aho, ary manonofy ny hanana fotoana hanaovana fitsangantsanganana indray.
Aza avela ho voafehin’ny fombafombanao ianao, satria hanitatra ny faravodilanitrao Andriamanitra!
Tena mby ao am-poko tokoa ireto teny ireto ho anao. Mino aho fa eo amin’ny fiainanao koa, dia efa manomboka ny "fotoana ho amin’ny misimisy kokoa"!
Andriamanitra dia miantso anao anio hoe: "Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? ". (Isaia 43:19)
Nefa, mety tsy hifanaraka amin’ny fahazaranao izany "zavatra vaovao" izany. Mety ho anisan’ireo olona mamaky Baiboly ianao, avy eo manidy azy ary miteny hoe: "Ampy ho ahy izay. Avelao ny hafa no hanao an’ireo "zavatra lehibe”.
Ny antom-bavako ho anao anio, dia ny mba hahitanao indray ilay afon’ny fitiavanao voalohany an’i Jesosy be fitiavana, ary noho izany fitiavana izany, dia hirona amin’ny traikefa vaovao izay mihoatra ny fahazaranao sy ny fombafombanao ianao.
"...Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo..." (Hebreo 3.7-8)
Fahagagana ianao!