• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 20, 2025

🗣📢 Fotoana hitenenana izao.

Andro namoahana Sep 20, 2025

Na ho ela na ho haingana, isika rehetra dia tonga amin'ny fotoana tsy maintsy hijoroantsika sy hiteny ho an'ny fianakaviantsika, ny fiaraha-monina misy antsika, na ny tenantsika mihitsy aza. Manery antsika ny filàna. Saingy manana herim-po ampy ve ianao? Tsorina aloha fa satriko foana aza hoe olon-kafa no manao izany eo amin’ny toerako... Raha toa ahy ianao dia ho anao ireto andro manaraka ireto! Andeha isika hiara-hianatra — avy ao amin’ny Baiboly — ny fomba handraisana izany toerana izany : eo ambanin’ny Fahasoavan’Andriamanitra sy ny Fahefany!

"Tokony hiteny izao ianao!" Fantatrao fa tonga ny fotoana hilazana ny hevitrao, saingy tsy misy teny mivoaka ny vavanao.

Ary avy eo, mandany ora maro ianao, eny andro maro ao anatin’ny fahasorenana ... "Nahoana aho no tsy niloa-bava?" Raha ny marina dia tsy miteny na inona na inona isika satria tsy ampy fiomanana.

Rehefa namoaka didy i Hamana, izay praiminisitra tamin’ny andron’i Ahasoerosy Mpanjaka, dia ny handringana ny Jiosy rehetra, ary efa nanaiky ny mpanjaka, dia nandefa hafatra ho any amin’i Estera mpanjakavavy i Mordekay. Raha tsy manana an’io tantara mahavariana io eo anoloanao ianao, dia aza misalasala mamaky haingana ny Bokin’i Estera — izay tena fohy.

Fantatra tsara fa tsy nisy na iza na iza, na dia i Estera mpanjakavavy aza, navela hanatona ny mpanjaka, ka tsy hahazo sazy. Fa hoy Mordekay tamin'i Estera: "Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka; fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana." ( Estera 4:13-14 ).

Fantatrao ve hoe inona no fanapahan-kevitra noraisin’i Estera tamin’izay? Nanomana ny tenany izy.

Tsapany izay mbola tokony hataony, ary inona no tokony hatao laharam-pahamehana.

"Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe: Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalĂ na aza; koa raha tĂ hiny maty aho, dia maty." (Estera 4:15-16).

Raha fintinina ny tantara : Azo antoka fa natahotra mafy i Estera, nefa nanomana ny tenany izy — teo anatrehan’Andriamanitra. Hanaisotra ny tahotrao ny fanatrehan'Andriamanitra !

Rehefa nilaza izay tao am-pony izy, dia nomen’Andriamanitra fahefana, ka nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka! Te hanome anao ny fahefany sy ny heriny koa Andriamanitra.

Miomàna - miaraka Aminy - na dia eo aza ny tahotrao - ary raiso - amin’ny alalany - ny fanafahana amin’ny tahotrao.

Midira amin'ny toerana rehetra, amin’ny fahafantarana fa efa ao ny Fanatrehan'Andriamanitra

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.